MIARAMILA 37 LAHY NO NAHAZO GALONA TATO AMIN’NY VONDRON-TAFIKA MORONDAVA

860 0
Nototosaina androany volalohan’ny volana octobre tao amin’ny vondron-tafika Morondava ny lanonana miiaramila izay fametrahana galona ny miiaramila 37 mirahalahy ka ny 5 tamin’ireo no nampiakarina amin’ny laharam-boninahitra sergent raha 32 kosa ireo lasa kaporaly izay teo ambany fitarihan’ny jeneraly ANDRIANTAOLO Honoré lehibem-pibaikoana ny farimpiarovana sy filaminana andrefana « Tsiribihina » sy ny lehibem-pibaikoana ny vondron-tafika Morondava ny colonel RAVERSON Mara Toditsara Marcel ; Izay notronon’ireo tomponan-draikim-panjakana ato Menabe nahitana ny sekretera jeneralin’ny faritra sy ny kaomandin’ny vodrotobim-pileovan’ny zandarmiaria ary ny talemparitry ny filaminambahoaka ary ny avy eo amin’ny fandraharahana ny fonja.
Entitra ny hafatra napetrak’ireo lehibe tamin’ireo vao nahazo galona dia ny hoe tsy zo tsy maintsy sitrahana ny fiakarana galona fa nohon’ny ezaka sy fitondran-tena ary fahaizana nataon’ny miaramila ary mitaky adidy sy andraikitra lehibe ny galona azo ka enga anie mba tsy handraraka ilom-by andoha ianareo hoy ny jeneraly ANDRIANTAOLO Honoré lehibem-pibaikoana ny farimpiarovana sy filaminana andrefana « Tsiribihina » fa hitondra ainga vao ho an’ny fitandroana filaminana ato Menabe sy Madagasika amin’ireo hambana mety hiseo .
Kitro sy andry ny tafika ianareo hoy ny lehiben’ny vondron-tafika Morondava colonel RAVERSON Mara Toditsara Marcel ka ny fihezehana sy ny fahitsiana no takiana aminareo
Nangonin’i RA PA

Related Post

𝔽𝕀𝕋𝕊𝔸ℝ𝔸ℕ𝔸, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐢-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…