Mitaraina ireo mpitrandraka vato ao aminโny kaominina ambanivohitra Bekopa satria ny solombavam-bahoaka izay tokony hiaro azy ireo indray no manakana ny fitadiavana izay ataonโizy ireo ; nandefa mpitandronโny filaminana tany an-toerana ingahy solombavambahoaka nanomboka ny faha dimy ny volana septembre teo hanakana ny fitrandrahana izay ataonโizy ireo.
Ka manoloana izany dia miantso ny tomponโandraikitra mahefa ireo mponina avy aminโny fokotany 11 ao aminโny kaominana Bekopaka mba hijery azy ireo satria nohonโny fandaminana sy fampandrian-tany izay nataonโi Colonel Faneva taminโiny faritra iny dia niova fo ireo tanora dia izao nahita izao fikaramana mitrandraka vato izao saingy andefasanโny solombavam-bahoaka izay voafidy tao aminโny distrikanโny Antsalova mpitandronโny filaminana hanakana ny karama izay mba hivelomanโizy ireo nefa nohonโny tany milamina no nahafahanโireto mponina ireto nitrandraka izao.
Ny lehibenโny distrikanโAntsalova dia nilaza fa tsy iraka avy aminy ireo mpitandronโny filaminana nandeha tany izany ary tsy nafantatra ny fandehananโireo mpitandonโny filaminana sy izay nataonโizy ireo tany ny tenanany hoy ny lehibenโny distrika taminโny fifampiresahana taminy taminโny finday ary nilaza izy fa efa ao anatin-ny fandaminana ny fampidirana ireo mpitrandraka harena ankimbonโny tany ao anatinโny distrikanโAntsalova aminโny ara-dalana ny tenany sy ny fitaleovam-paritry ny harena ankimbonโny tany ao aminโny faritra Melaky satria mahazo vahana tanteraka ny fidrandrahana ny harena ankimbonโny tany ao anatinโny distrikanโny Antsalova tato ato nohonโny tany efa milamina saingy nilaza mazava kosa izy fa tsy mbola nandefa mpitandronโny filaminana tany Bekopaka ny OMC avy eo anivonโny distrikanโAntsalova fa mbola eo ampandaminana fidinana ifotiny tanteraka izy sy ny fitaleovam-paritry ny harena ankimbonโny tany ao aminโny faritra Melaky aminโizao
Nangonin’i RA PA