PENJY RANDRIANARISOA: « MANDEHA AMIN’NY TSY MIANKINA REHEFA NAHILIKY NY ANTOKO . « 

184 0
Fanapahan_kevitry ny antoko TIM no nanala azy fa tsy nisy fakana vola araka ny filazan’ny sasany hoy i Penjy RANDRIANARISOA androany ka hajaina ny fanapahan_kevitry ny antoko.
Nandeha tamin’ny anaran’ny antoko ny tenany tao anatin’ny 8 taona saingy rehefa nahilika dia mandeha amin’ny tsy miankina.
Hinoana aza hoy izy fa ny fandehanana amin ‘ny tsy miankina dia:
👉Tsy ho baikon’iza n’iza izy ireo ary manana ny foto_kevitra hijoroany amin’ny fitantanana ny kaominina .
👉Ahafahana misokatra bebe kokoa amin’ny ankolafin_kery samihafa raha toa ka noteriteren’ny sasany izy ireo tao anatin’ny antoko ary saika voakihana avokoa tamin’ny asan’izy ireo rehetra .
Tafapetraka androany teny Ambohidratrimo moa ny antotantaratasy filatsahan_kofidian’Andriamatoa Penjy RANDRIANARISOA, tonga maro nanotrona azy ireo mpanohana azy.
Ho tohizana ny asa fampandrosoana misokatra amin’ny ankolafin_kery samihafa izy ireo ary tsy maintsy mamirapiratra ny kaominina Ivato hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity androany.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝐂𝐄𝐍𝐈: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐦𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐣𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐧𝐢𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚𝐧-𝐝𝐨𝐡𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 4, 2025 0
Nanambara ampahibemaso ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa manameloka tanteraka ny fanenjehana nataon’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona,…

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…