馃敶Miasa aloha izao ary mamakafaka ny zavatra misy eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa amin’ny fivoahan’ny lisitr’ireo kandida ben’ny tan脿na amin’ny fomba ofisialy amin’ny 19 septambra ho avy izao isika mahita azy hoy ny PDS ny kaominina Antananarivo renivohitra Harilala RAMANANTSOA raha namaly ny fanontaniana momba ny mety ho filatsahany ho kandida ben’ny tan脿na eto Antananarivo renivohitra na tsia nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly.
馃敶Namafisiny fa raha notendrena PDS ny tenany dia nanaiky ary te hanome ny anjara biriky ho fanatsarana sy fandrindrana ny tan脿na ka miasa aloha izao ary mametraka fanamby ny tenany sy ireo mpiara_miasa aminy hitondra fanovana eto amin’ny CUA na dia fotoana fohy azy no ipetrahany amin’izany toerana izany.
馃敶Mifototra amin’ny fanatsarana ny tan脿na, ny fampanjakana ny fandriam_pahalemana, ny fanatsarana ny fifamezivezena an_tan脿n_dehibe ireo no fandaharan’asa ho tanterahan’ity PDS vaovao ity .
馃敶Vinan-dRamatoa Harilala RAMANANTSOA ihany koa ny hametraka fitondrana tsara tantana indrindra amin鈥檔y lafiny ara-bola, ny fanatsarana sy fampitomboana ny fidiram-bolan鈥檔y Kaomina.
馃摑M.Elvina