Natomboka ny fotoam-piasana manokana eto anivon’ny Antenimeram-pirenena

133 0

Androany faha 09 Jolay 2024 no natomboka ny fotoam-piasana manokana eto anivon’ny Antenimeram-pirenena Malagasy. Saika ftonga nanatrika izany avokoa ireo Solombavambahoaka voafidy isaky ny distrika manerana an’i Magasaikara, ankoatr’ireo efa nandefa fialantsiny mialoha, toy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tany Antanifotsy, ny tany Antsiranana izay mbola eny an-dalana arak any fampitam-baovao, ary ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany amin’ny Distrika Vangaindrano, izay mbola any amponja.

Fantatra fa haharitra roa andro ity fivoriana tsy aram-potoana ity, ary hirosoana ny fananganana ny Birao maharitra, ny Vaomiera maharitra, ireo mety ho Vondrona parlementera sy ny fanavaozana ny Fitsipika anatiny mifehy an’izany Andrimpanjakana izany.

Mirary fahombiazana ho an’ireo Solombavambahoaka rehetra amin’izao fotoam-panaovan-dalana izao

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…