DISITRIKAN’I PORT-BERGE | NIRAVONA NY DISADISA TEO AMIN’NY FOKO ROA NIFANOLANA, NANAIKY FANDAMINANA NY ANDANINY SY NY ANKILANY.

560 0
DISITRIKAN’I PORT-BERGE | NIRAVONA NY DISADISA TEO AMIN’NY FOKO ROA NIFANOLANA, NANAIKY FANDAMINANA NY ANDANINY SY NY ANKILANY.
Araka ny vaovao efa nalefa teto dia nisy ny disadisam-piarahamonina tao amin’ny kaominina Tsiningia, Disitrikan’i Port-Bergé faritra Sofia. Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpiavy tatsimo sy ireo fokonolona ao amin’ny fokontany Ambarimanjevo omaly sabotsy 06 jolay 2024 maraina.
Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nidina tany an-toerana ny OMC notarihan’ny Lehiben’ny Disitrikan’i Port-Bergé, Todivelo Cyrille. Tany an-toerana koa ny Filohan’ny Dina ato amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé.
Ankoatra ireo dia niara-namaha izao olana izao tany Tsiningia ireo iraka manokana nalefan’ny Solombavambahoaka voafidy tato amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé sy ny Ben’ny tanàna Tsiningia. Nanome toky ireo andaniny sy ny ankilany tamin’ny alalan’ireo solontena sy ny mpitarika azy ireto fa hitandro ny fihavanana izy ireo. Niara-nanaiky ny roa tonta fa hatsahatra eo ny disadisa.
Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…