FITALEOVAM-PARITRY NY FITANTERANANA SY FAMATARANA NY TOE-TRANDRO MENABE VITA ANDROANY NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA

310 0

Notanterahina androany ny fifamindram-pitatanana teo amin’ny talem-paritry ny fitanteranana sy famatarana ny toetr’andro teo amin’ny Andriamatoa Randriantsihomaninarivo Anthony Cyrille izay talem-pisolo-toerana teo aloha sy Andriamatoa Randriamanampisoa Xavier tale vaovao izay teo ambany fiahian’ny Prefet ny Morondava Rafidison Fidel notronon-ireo mpitantanana kaoperativa sy mpiantsehatra eo amin’ny fitanterana ary ireo solon-tenam-panjakana ato Menabe .

Isany tarigetran’ny talem-paritra vaovao ny hanohy ny ezaka vitany teo aloha ka nametraka vina anatin’ny taona iray ny fitaleovam-paritra ny fampidirana ireo mpitaditra ho amin’ny ara-dalana indrindra ny zotram-pitanterana ato amin’ny faritra Menabe na ny an-tanety io na an-dranomasina ary ho jerena akaiky hoy ny talem-paritra vaovao ny maha olona sy ny kalitaon’ny fitaovam-pitanteranana ato Menabe ary ampetraka koa ny fanarahamaso eny amin’ny tobim-piantsonana hisorohana ny loza sady hanara-maso ireo mpamily mba tsy ho mpamily tsy ampy torimaso no hitondra ireo mpandeha ary hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandron’ny filaminana

Ho jerena ihany koa ny eo amin’ny lafiny fotodrafitr’asa sy fanatevenana ireo mpiasa eo anivon’ity fitaleovam-paritra ity izay vitsy dia vitsy tokoa ka efa nifampiresahana ny tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fitanterana sy ny famatarana ny teo-trandro .

Mampitandrina ireo mangalatra manao fitanterana an-tsokosoko koa ny tale vaovao fa tsy handefitra izy ireo indrindra ireo ao amin’ny tambazotra sosialy izay efa tsisy henatra intsony fa handray fepetra izy ireo ary manatena ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny fitaleovam-paritra hoy hatrany andriamatoa Xavier Randriamanampisoa izay tale vaovao vao nadray ny asany androany

Eo ampitan’ny biraon’ny Bianco moa no birao ny fitaleovam-paritry ny fitanterana sy ny  famatarana ny teo-trandro Menabe izay hisaorana ny Prefet ny Morondava hoy ny tale vaovao nanome ny birao izay biraon’ny asa tanana teo aloha .

Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

NAKOTROKA NY FANKALAZANA NY TAOM-BAVAO MALAGASY TATY AMIN’NY FARITRA ALAOTRA MANGORO

Posted by - mars 12, 2024 0
𝐍𝐀𝐊𝐎𝐓𝐑𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐌-𝐁𝐀𝐕𝐀𝐎 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐋𝐀𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐎𝐑𝐎 — 👉Nankalaza ny taom-baovao Malagasy ny taty amin’ny Faritra…