FITALEOVAM-PARITRY NY FITANTERANANA SY FAMATARANA NY TOE-TRANDRO MENABE VITA ANDROANY NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA

380 0

Notanterahina androany ny fifamindram-pitatanana teo amin’ny talem-paritry ny fitanteranana sy famatarana ny toetr’andro teo amin’ny Andriamatoa Randriantsihomaninarivo Anthony Cyrille izay talem-pisolo-toerana teo aloha sy Andriamatoa Randriamanampisoa Xavier tale vaovao izay teo ambany fiahian’ny Prefet ny Morondava Rafidison Fidel notronon-ireo mpitantanana kaoperativa sy mpiantsehatra eo amin’ny fitanterana ary ireo solon-tenam-panjakana ato Menabe .

Isany tarigetran’ny talem-paritra vaovao ny hanohy ny ezaka vitany teo aloha ka nametraka vina anatin’ny taona iray ny fitaleovam-paritra ny fampidirana ireo mpitaditra ho amin’ny ara-dalana indrindra ny zotram-pitanterana ato amin’ny faritra Menabe na ny an-tanety io na an-dranomasina ary ho jerena akaiky hoy ny talem-paritra vaovao ny maha olona sy ny kalitaon’ny fitaovam-pitanteranana ato Menabe ary ampetraka koa ny fanarahamaso eny amin’ny tobim-piantsonana hisorohana ny loza sady hanara-maso ireo mpamily mba tsy ho mpamily tsy ampy torimaso no hitondra ireo mpandeha ary hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandron’ny filaminana

Ho jerena ihany koa ny eo amin’ny lafiny fotodrafitr’asa sy fanatevenana ireo mpiasa eo anivon’ity fitaleovam-paritra ity izay vitsy dia vitsy tokoa ka efa nifampiresahana ny tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fitanterana sy ny famatarana ny teo-trandro .

Mampitandrina ireo mangalatra manao fitanterana an-tsokosoko koa ny tale vaovao fa tsy handefitra izy ireo indrindra ireo ao amin’ny tambazotra sosialy izay efa tsisy henatra intsony fa handray fepetra izy ireo ary manatena ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny fitaleovam-paritra hoy hatrany andriamatoa Xavier Randriamanampisoa izay tale vaovao vao nadray ny asany androany

Eo ampitan’ny biraon’ny Bianco moa no birao ny fitaleovam-paritry ny fitanterana sy ny  famatarana ny teo-trandro Menabe izay hisaorana ny Prefet ny Morondava hoy ny tale vaovao nanome ny birao izay biraon’ny asa tanana teo aloha .

Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…