FAMONOANA MPITSARA | TRA-TEHAKA IREO NAHAVANON-DOZA

372 0
DPJ/SCAC-BC2 FAMONOANA MPITSARA : OLONA AKAIKY AZY IHANY NO NAHAVANON-DOZA, MPIRAY TSIKOMBAKOMBA MIISA 15 VOASARINGOTRA AMIN’ITY RAHARAHA ITY
✅️ Tsy olon-kafa fa dia olona akaiky nananan’ilay mpitsara fitokisana ihany no namono azy.
✅️ Nanao ny fikarohana ny teo anivon’ny BC2 ka lehilahy 31 taona izay mpamilin’ilay mpitsara no voasambotra teny Alatsinainy-Ambazaha ny 19 jona 2024 teo . Niaiky ny heloka vitany ity farany ary nilaza fa ny sakaizany no naniraka azy hamono ilay mpitsara . Nampanantena azy sprinter iray io sakaizany io raha vitany ny mamono ilay mpitsara.
👉 Nanondro ny namany miisa 02 hafa nanampy azy mivantana tamin’ny famonoana sy ny toerana nanitrihan’izy ireo ny vatana mangatsikan’ilay mpitsara ity mpamily ity.
✅️ Tsy lavitra ny trano fonenan’ity lehilahy ity no nanitrihany ny razana. Nahazo alalana tamin’ny ray amandreniny ity farany mba hanitrihana ny razana teo amin’ny tokotany misy azy ireo. Mbola nampian’ireo fianakaviana ihany koa izy tamin’ny fandavahana ny lavaka nandevenana ny razana.
✅️ Fantatra fa efa lasan’ilay vehivavy sakaizan’ity mpamily ity izay naniraka hamono io mpitsara io ny vola tany amin’ny banky sy ny fiara.
🚨 Atolotra ny fitsarana androany 27 jona avokoa ireto olona voasambotra ireto.
Loharanombaovao : Polisim-pirenena Malagasy

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 (𝖬𝖺𝗒 𝗇𝗒 𝗏𝗈𝗅𝖺 𝗂𝗄𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇`𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺) ✦Kilan`ny afo ny…