FAMONOANA MPITSARA | TRA-TEHAKA IREO NAHAVANON-DOZA

166 0
DPJ/SCAC-BC2 FAMONOANA MPITSARA : OLONA AKAIKY AZY IHANY NO NAHAVANON-DOZA, MPIRAY TSIKOMBAKOMBA MIISA 15 VOASARINGOTRA AMIN’ITY RAHARAHA ITY
✅️ Tsy olon-kafa fa dia olona akaiky nananan’ilay mpitsara fitokisana ihany no namono azy.
✅️ Nanao ny fikarohana ny teo anivon’ny BC2 ka lehilahy 31 taona izay mpamilin’ilay mpitsara no voasambotra teny Alatsinainy-Ambazaha ny 19 jona 2024 teo . Niaiky ny heloka vitany ity farany ary nilaza fa ny sakaizany no naniraka azy hamono ilay mpitsara . Nampanantena azy sprinter iray io sakaizany io raha vitany ny mamono ilay mpitsara.
👉 Nanondro ny namany miisa 02 hafa nanampy azy mivantana tamin’ny famonoana sy ny toerana nanitrihan’izy ireo ny vatana mangatsikan’ilay mpitsara ity mpamily ity.
✅️ Tsy lavitra ny trano fonenan’ity lehilahy ity no nanitrihany ny razana. Nahazo alalana tamin’ny ray amandreniny ity farany mba hanitrihana ny razana teo amin’ny tokotany misy azy ireo. Mbola nampian’ireo fianakaviana ihany koa izy tamin’ny fandavahana ny lavaka nandevenana ny razana.
✅️ Fantatra fa efa lasan’ilay vehivavy sakaizan’ity mpamily ity izay naniraka hamono io mpitsara io ny vola tany amin’ny banky sy ny fiara.
🚨 Atolotra ny fitsarana androany 27 jona avokoa ireto olona voasambotra ireto.
Loharanombaovao : Polisim-pirenena Malagasy

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…