Faritra Vakinankaratra | Fankalazàna ny fetin’ny Fahaleovan-tena.

177 0

Nanatanteraka vavaka ho an’ny Firenena ny FFKM(Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Madagasikara) omaly alahady 23 jona 2024,tao amin’ny Paroasy katedraly eto antsirabe. Mpitarika ny Biraon’ny FFKM sampana Antsirabe.

Nizara ny tenin’Andriamanitra  ny Pastora Dr RAKOTOVELOMANATSOA Fenonirina Alain FLM(Fiangonana Loterana Malagasy) Antampon-tanàna. Nanentanany ny mpino Kristianina ny iainan’ny malagasy ny fitiavana marina sy tsy manavakavaka na iza, na iza ary mitsinjo ny mahantra.

Ankoatr’izay, nentina am-bavaka manonkana  ny mpitandro Filaminana sy ny Foloalindahy mba ho tena « Tandroka Aron’ny Vozona »  ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany, hampanjaka ny fandriampahalemana manerana ny Nosy ary tsy ho voazarazaran’ny hevitra tsy mitovy.

Tsiahivina hatrany fa 64 taona amin’ny 26 Jona ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara.

Nangonin’i  HAJA – Vakinankaratra

Related Post

ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

Posted by - décembre 19, 2023 0
  Hetsika iray manan-danja no nokarakarain’ny mpianatra, session d’été, ao amin’ny oniversité tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 amin’ny taranja…

Tobim-piantsonana Andohatapenaka

Posted by - décembre 26, 2024 0
Miankina amin’ny mpamily ny 80 isanjato eny amin’ny lalana hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka Andriamatoa Fidy RANAIVOSON. Manentana…

B I A N C O TOLIARA

Posted by - décembre 10, 2023 0
B I A N C O TOLIARA 20 Taona androany no nanaovana ny fifanarahana Iraisam-pirenena entina hiadiana amin’ny kolikoly.  …