Manao antso avo hijerena ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny ny Zanak’i Mandoto

388 0

Nohon’ny fisian’ny asan-dahalo tsy mijanona efa ho isan’andro any amin’ny Distrikan’i Mandoto, Faritra Vakinankaratra, dia tsy hainay Mpianatra amin’ny anjeri-manontolo ny hitazam-potsiny ny fahavoazana mahazo ireo Ray amn-dreny izay tantsaha avokoa, sahirana izy ireo amin’ny fihariana kely tokony hataony.

1. Manao antso avo amin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena izahay ny hanatanterahana farak’izay haingana « OPERATION ANTI-DAHALO ao anatin’ny Distrikan’i Mandoto fa efa isan’andro ny asan-dahalo ary marobe izy ireo no sady mitondra basy mahery vaika toy ny Masse36 sy Kalack.

2. Manao antso avo izahay ny hampidinana Miaramila marobe amin’ny Camion hampandry tany amin’ny Distrikan’ Mandoto. 3.Manaitra ny Minisitry ny Fiompiana izahay hijery ny resaka famontsiana omby izay mahatonga ny firongatry ny ny asan-dalmo dia jerem-potsiny ny omby mandeha amin’ny camion satria misy lava-tanana miaro azy ireo ao amin’ny fitondrana ao

4. Mangataka ny fametrahana ny vahaolana maharitra izahay satria dia vao tsy ela akory no nametrahana Poste avancé ao Beakanga anefa efa in-telo sahady io tanana io no nidiran’ny dahalo. Ka na ametrahana poste avancé isaky ny Fokontany aza ka tsy mipetraka ny fototra sy vahaolana maharitra dia ho zary zava-poana izany.

Natao izao fampahafantarana izao mba hilazana ny tena zava-misy marina mianjady amin’ny Distrikan’i Mandoto ary miantefa mivantana aminareo Minisitra Tompon’andraikitra Marihina hatrany fa nohon’ny hikiakan’ny vahoaka maro ianjadian’ny asan-*dahalo no antony hanaovanay izao fanairana izao Ny vahoaka mandroso dia miaina anaty filaminana mba hahafahany mihary sy mampitombo ny harin-karen’ny faritra sy ny firenena, fa tsy hiandry vatsy na tosika lava izao izay trosa hobaben’ny taranaka aoriana.

Zanak’i Mandoto , ny Tanora ankehitriny no Firenena

Ziona Alberson TOAVIMBAHOAKA Filohan’ny SEIIsM
( Solidarité des Etudiants et Intellect Issu de Mandoto)

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…