𝗦𝗢𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗥𝗜𝗡𝗬 : ᴍᴘᴀɴᴇɴᴅᴀᴋᴀ,ᴍᴘɪᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɢᴏɴʏ ary ᴍᴘᴀᴍᴀᴋʏ ᴛʀᴀɴᴏ

256 0
‼️𝗦𝗢𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗥𝗜𝗡𝗬 : ᴍᴘᴀɴᴇɴᴅᴀᴋᴀ,ᴍᴘɪᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɢᴏɴʏ ary ᴍᴘᴀᴍᴀᴋʏ ᴛʀᴀɴᴏ ‼️
 
⛔Lehilahy miisa 2 no voasambotra mahakasika ny raharaha fanendahana raha toa ka lehilahy iray hafa mahakasika ny vaky trano ;Ary sarona ihany koa ireo mpivarotra rongony eny amin’ny manodidina.
 
📍 Ao anatin’ny hetsika sy ezaka hampihenana ny asan-jiolahy sy ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tanteraka ny Zandary ao amin’ny Poste Avancé GN SOAMANANDRARINY amin’izao fotoana izao.
 
👍 Nahitam-bokany izany satria ny Alahady 12 novambra 2023 dia lehilahy iray tompon’antoka tamina vaky trano nitranga tao AMBANIVATO SOAMANANDRARINY ny 31 oktobra 2023 no voasambotra teny ANDRALANITRA noho ny fahaiza-manaon’ireo mpanao famotorana sy fanadihadiana.
 
👮‍♂️ Voasambotra androany 13 novambra 2023 tao amin’ny toerana antsoina hoe ᴛᴇxᴀs ihany koa ny lehilahy miisa 02 izay efa nokarohin’ny Zandary volana maro izay noho ny raharaha fanendahana.
 
🩸 Marihina fa ny iray amin’izy ireto dia efa mpamerin-keloka satria ny taona 2017 izy dia efa nifonja teny AMBOHIDRATRIMO (𝒛𝒂𝒛𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂), ny 2018 kosa dia nifonja teny ANTANIMORA noho ny raharaha \/AKY TRANO avokoa no nanenjehana azy tamin’izany.
 
⚡🚬 Tao anatin’ny hetsika izay natao ihany koa dia mpivarotra sady manome toerana hifohana rongony no voasambotra niaraka tamin’ireo rongony marobe sy emboka manitra androany 13 novambra 2023.
📌 Mitohy ny fikarohana, famotorana, fanadihadiana.🛑
Nangonin’i Malala Tsa
 

Related Post

Zava-baovao ao Farafangana | mitondra paikady hentitra hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ny Zandary

Posted by - juillet 4, 2025 0
𝐙𝐚𝐯𝐚-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐨 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚! 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐋𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐕𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 – 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 — Farafangana, 4 Jolay 2025 Nitondra fanantenana sy…