π—₯𝗑𝗠/𝗧𝗩𝗠 π— π—”π—Ÿπ—”π—œπ— π—•π—”π—‘π——π—¬ π—˜π—™π—” π—›π—œπ—₯𝗒𝗗𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 𝗧π—₯𝗔𝗑𝗒 π—‘π—˜π—™π—” π— π—•π—’π—Ÿπ—” 𝗧𝗦𝗬 π—‘π—”π— π—£π—œπ—”π—¦π—”π—œπ—‘π—”

123 0

Isany fotodrafitrasa vita nandritran’ny fitatanan’ny minisitry ny Serasera sy kolontsaina teo aloha Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny trano hanokafana ny RNM/TVM ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Malaimbandy ao amin’ny distrikan’ny Mahabo faritra Menabe ; Voahaja ny fepotoana tokony hamitana ny asa saingy hatramin’izao dia tsy mbola nampiasaina ity trano ity sady mbola tsy notokanana fa raha ny loharanom-baovao azo dia na ny tompon-andraikitra hiandraikitra ity RNM/TVM ao Malaimbandy ity ary dia efa ela no voatendry saingy ny trano vita ny fitaovana tsy misy hatreto ka manao antso avo ireo mponina ao Malaimbandy mba hijerena sy nanokafana ity TVM/RNM ity satria dia efa vakivaky ity trano ity amin’izao Β ka manahy ireo mponina sao toin’ilay tranoben-ny serasera sy kolontsaina Β indray ity trano ity satria dia sady tsy misy mpiambina fa ataon’ny ankizy filalaovana fotsiny ka ahiana koa ny hasimba ny fefy fa sady ataon’ireo mpivarotra fanatonana entana rehefa sabotsy tsena iny no ataon’ny zaza filalaovana hiakarana hanaovana fanenjika izay mety hitera-doza ho an’ireo zaza ihany koa

Miantso an-dramatoa Minisitra Mara Volamiranty Donna ireo mponina mba hijery akaiky ity foto-drafitrasa izay zara fa vita ity ary mba hijery ny fomba hanokafana azy satria mijaly tsy mahara-baovao .

Efa mireseka ny serasera ato Menabe ihany moa isika dia hatreto dia mbola tsy manana talem-paritra voatendry ny fitaleovam-paritry ny serasera ato Menabe nanomboka ny 28 Jona lasa teo efa saika hanendry ihany moa ny minisitra teo aloha andriamatoa Augistin Andriamananoro saingy nohon’ny kajikajy tamin’ireo ray aman-dreny ara-politika ato Menabe izay samy hametraka ny olony dia izao hatreto dia mbola talempisolo-toerana no miandraikitra ny fampandehan-draharaha eo amin’ny fitaleovam-paritry ny serasera ato Menabe

Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

FORT-DAUPHIN | AMBOASARY SUD/BETROKA | Nitafa nivantana ny tamin’ireo Ray aman-dreny ara-drazana ny Faritra AnΓ΄sy

Posted by - octobre 1, 2024 0
FORT-DAUPHIN | AMBOASARY SUD/BETROKA. π—™π—œπ—›π—”π—’π—‘π—”π—‘π—” π—‘π—œπ—”π—₯π—”π—žπ—” π—§π—”π— π—œπ—‘’ π—œπ—₯π—˜π—’ π—₯𝗔𝗬 𝗔𝗠𝗔𝗑- 𝗗π—₯π—˜π—‘π—¬ 𝗔π—₯𝗔- 𝗗π—₯𝗔𝗭𝗔𝗑𝗔- Faritra AnΓ΄sy Hanafy haja ny lanonana ho…

Posted by - fΓ©vrier 8, 2025 0
Fitokanana ny Biraon’ny Fikambanana AVOMITIA ao amin’ny Distrikan’i Lalangina – Faritra Matsiatra Ambony Notanterahina tamin’ny fomba malagasy tanteraka androany 7…

𝐑𝐋 ππ‘πŽπƒ/ π€π’π’πŽπ‚πˆπ€π“πˆπŽπ π’π€π•πˆπŠπ€ | 23 𝑴𝒂𝒓𝒔 2025, π‘²π’Šπ’‚π’π’‹π’‚π’’π’π’š π‘Ίπ’‚π’—π’Šπ’Œπ’‚ π‘¨π’Žπ’ƒπ’π’”π’Šπ’•π’“π’‚

Posted by - mars 24, 2025 0
𝐑𝐋 ππ‘πŽπƒ/ π€π’π’πŽπ‚πˆπ€π“πˆπŽπ π’π€π•πˆπŠπ€ – 23 𝑴𝒂𝒓𝒔 2025, π‘²π’Šπ’‚π’π’‹π’‚π’’π’π’š π‘Ίπ’‚π’—π’Šπ’Œπ’‚ π‘¨π’Žπ’ƒπ’π’”π’Šπ’•π’“π’‚ 𝑡𝑢𝑺𝑢𝑲𝑨𝑭𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑻𝑨𝑢𝑴-𝑷𝑰𝑳𝑨𝑳𝑨𝑢𝑽𝑨𝑡𝑨 𝑺𝑨𝑽𝑰𝑲𝑨 2025 𝑨𝑻𝒀 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑴𝑢𝑹𝑢𝑡’𝑰…