Ny zoma 13 febroary 2026 lasa teo no nambaranβny fomba ofisialy teo anatrehanβny mpanao gazety ny fisianβny vovonana π°ππΉ (π°πππβππ πππππππππππ ππ πΉππππππππ).
Fihaonana natao hampahafantarana ny rafitra sy ny mpikambana ao aminy, ary indrindra ny lΓ lana hizoranβity fikambanana politika vaovao ity eo aminβny sehatra nasionaly.
Araka ny fanazavana nomenβireo tomponβandraikitra, dia vovonana iray ahitana antoko politika sy fikambanana maro loko, avy eto an-toerana sy avy any ivelanβi Madagasikara, ny IFR. Tafiditra ao anatiny ihany koa ny olom-boafidy sasantsasany, anisanβizany ireo solombavambahoaka mitovy fijery sy mitovy vina momba ny hoavinβny firenena.
Nambaranβireo mpitarika fa efa mijoro ara-dalΓ na sy ara-drafitra ny IFR, ary vonona handray anjara feno aminβny fiainam-pirenena. Tsy fikambanana miseho fotsiny, hoy izy ireo, fa sehatra iray hiaraha-mandinika sy hiaraha-mamolavola politika ho anβny tombontsoam-bahoaka.
πππ§π£π¨π§π π¦ππ³ππ―π π¬π² π―π’π§π π¦ππ‘ππ«π’ππ«π
Nasongadina manokana fa hitondra sosokevitra sy vahaolana azo ampiharina ho anβny fampandrosoana maharitra anβi Madagasikara no fototry ny IFR. Ny fanavaozana ny rafitra, ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena, ary ny fanomezana lanja ny rariny sy ny fahamarinana no isanβny laharam-pahamehana apetrany.
Aminβny lafiny asa sosialy kosa, nambara fa hisy delegasiona IFR hihazo anβi Toamasina aminβny alatsinainy ho avy izao. Tanjonβizany ny hanome fanohanana sy fanampiana ho anβireo fianakaviana traboina vokatry ny rivodoza Cyclone Gezani, izay namely faritra maro tato ho ato.
ππ«ππ¨ π¦π©π’π€ππ¦πππ§π π¦ππ§ππ«πππ’ππ«π π§π² ππ
π
Hatreto dia ireto avy ireo rafitra sy vondrona tafiditra ao anatinβny Ivonβny Fanavaozana Repoblika (IFR) :
GRAD ILOAFO
Antso ho anβny Rariny anaty Fiandrianam-pirenena
Groupe BERTIN
GEN Z
Isika Mpandresy
Leader Fanilo
Madagasikarantsika
Diaspora Malagasy
Mijoro aminβny foto-kevitra iray iraisana izy ireo : fanavaozana mitondra fahamarinana sy fampandrosoana.
Raha ny nambaranβny mpitarika azy, dia ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kina no lakilenβny fanovana maharitra, aminβny fanajana ny soatoavina repoblikana sy ny tombontsoam-pirenena ambony indrindra.




