π—‘π—œπ—§π—¦π—œπ——π—œπ—žπ—” 𝗑𝗬 𝗙𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗔 π— π—˜π—‘π—”π—•π—˜ 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—™π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔𝗑𝗔

39 0

β–ΊAo anatin’ny fanatanterahana ny torimariky ny filoham-pirenena mikasika ny fitondram-panjakana manakaiky vahoaka dia manatanteraka ny fitsarana manakaiky vahoaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana sady manatanteraka ny zato andro dia  tonga nitsidika ny faritra Menabe  ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny zoma faha 12 Aprily 2024 ka aharitra roa andro ny fitsidihana .

 

βœ“ Morondava no nisantarany izany ka ny tapany maraina ny fahatongavany dia nisy ny fitsidihany ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Morondava ary nitafa tamin’ireo mpiasa eo an’ivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Morondava ny tenany ary tao anatin’izay no namatsiana fitaovana solosaina telo  sy imprimante iray ho an’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Morondava ary  Β« karatra fanarahana raharaha eny anivon’ny fitsarana Β» ity karata ity moa dia mba hialana amin’ireo mpijirika ary sady hametrahana ny mangarahara ihany koa mba ho fanatsarana ny fitatanana ny raharaha eo amin’ny fitsarana , hentitra ny minisitra ary nilaza fa adidin’ny eo anivon’ny fitsarana ihany koa ny manao fisafoana ny eo anivon’ny fonja sy ny mampafantatra ny lalΓ na amin’ny fidinana ifotony sy ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jery ,natao jery todika nadritrin’ny dinidinika izay niarahan’ny ramatoa minisitra tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny fitsarana voalohany eto Morondava mikasika ny toromarika izay nomena tany Toliara nandritrin’ny fivoriambe izay nataon’ireo filohan’ny fitsarana ato amin’ny tapany atsimo .

Isany rafitra manatanteraka ny asa ho an’ny vahoaka ny fitsarana ka ho fanatsarana ny tolotra ho an’ireo manan-draharaha eo anivon’ny fitsarana ka adidin’ny fitondrana foibe ny midina mijery ireo olana ety ifotiny mba hanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka satria amin’ny anaran’ny vahoaka no hamoahana ny didim-pitsarana ka mila manatsara ny fomba fiasa ny eo anivon’ny fitsarana isan’izany ny fahazoan’ny fitsarana eto Morondava mpitsara vaovao araky ny filan-kevitry ny minisitra farany teo .

 

βœ“ Ny tapany hariva dia nisy ny fampafantarana ny lalΓ na mikasika ny fifohana sy fandraisana zava-mahadomelina izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahan’ny minisitera ny zato andro no saady adidin’ny fitsarana ihany koa ny mampafantatra ny lalΓ na satria tsy manasazy ihany no asan’ny fitsarana fa eo koa ny fampitandremana ka  teo anivon’ny sekoly LPCIC sekoly tsy miankina sy ny  lycΓ©es Paul miankina amin’ny fanjakana no nanatanterahana izany ary nofaranana tamin’ny fitsidihana ny fonjan’ny Morondava ity andro voalohany ity mba hijerena ireo fampihofanana atolotra ireo voafonja ho fanarenana sy fanomanana ny hiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina satria andry voalohany napetraky ny filoham-pirenena ny fanandratana ny maha olona sy ny fanajana ny zon’olombelona izay efa ataon’ny fandraharahana ny fonja saingy hamafisina izany mba hifanindran-dalana amin’ny toromariky ny fitondram-panjakana an-kehitriny  tena ho olom-banona ireo voafonja rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina ; ho fanajana ny maha olona dia nitondra fanampiana ho an’ny fonjan’ny Morondava ramatoa minisitra nanolotra vary sy voamaina ary savony sy fitaovana fidiovana sy jiro ary fanafody famonoana biby kely satria amin’ny maha tany mafana ny faritra Menabe dia isany mampijaly ireo voafonja ny fisian’ny kongona ao amin’ny trano misy azy ireo ; Miisa 699 moa ny voafonja ao amin’ny fonjan’ny Morondava ka 33 ny vehivavy ary 6 kosa ireo tsy ampy taona voafonja ao.

 

βœ“ Hitohy amin’ny fitsidihana ireo Camp pΓ©nales sy hiazo ny distrikan’ny Miandrivazo moa ny tenany sy ireo ekipa miara-dia aminy , nanotrona azy tamin’izao fitsidihana izao moa ny Prefet ny Morondava sy ny Goveronoran’ny faritra Menabe ary ireo tompon’andraikim-panjakana ato Menabe , teo koa ireo tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana sy ireo mpandraharahan’ny fonja.

                                                                                                                                             Ra_Pa Menabe

Related Post