๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ญ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—บ-๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ: ๐—ญ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ ๐— ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ ๐—ต๐—ผ ๐—”๐—ป๐˜๐—ผ๐—ธ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—œ๐—ณ๐—ผ๐˜๐—ผ๐—ป๐˜† ( ๐— .๐—”.๐—™.๐—œ)

102 0
Ho fanamarihana hatrany ny andron’ny Zandarimariam-pirenena dia nisy ny famelabelarana narahina adi-hevitra izay natao tetsy amin’ny Kianjan’ny Barea androany, tolak’andro, ka nanasana manokana an’i Ramatoa Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasika, Ramatoa ๐‘น๐‘จ๐‘บ๐‘ถ๐‘ณ๐‘ถ๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘บ๐‘ถ๐‘ต ๐‘ด๐’๐’๐’Š๐’„๐’‚, tonga niaraka taminy nanatrika ity fanasana ity i Nyh Gabriel ANDRIAMITANTSOA, izay sady WebAdmin OJM ary Mpitantana ny Gazety an’habaka FEONYDEMOKRASIA.MG.
 
Lohahevitra maromaro no noresahina tamin’izany, toy ny
– Heloka an’habaka
– Fakana ankeriny
– Kolikoly, sy maro tsy voatanisa etoana.
 
Fa anisanโ€™ny loha-hevitra tena nandrasanโ€™ny be sy ny maro ilay teboka voalohany ยซ HELOKA ANโ€™HABAKA ยป izay hiara-mahalala manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia ampiasaina ankehitriny, koa maro aminโ€™ny tanora no mety tsy mahalala hoe heloka izay hatao izay, andaniny koa niandry fatratra ny fanazavana feno mahakasika azy ity ny Mpanao Gazety maro, indrindra fa ireo nentanina manokana hanaraka teo anivonโ€™ny Tambazotra, fa saingy somary nandiso fanantenana kely ihany ny fanazavana mahakasika izany.
Mety tany aminโ€™ny fahaterenโ€™ny fotoana (angamba) no olana. Irariana ny hitondranโ€™ieo Mpitandro filaminana fanazavana mahakasika azy io any aoriana, fa tena ilaina mihintsy ny hahalanโ€™ny daholobe anโ€™izany ยซ heloka anโ€™habaka izany ยป.
 
Fantatra nandritra ny famelabelarana fa misy tokoa ny fifandraisana tsara rindra eo aminโ€™ny Mpanao Gazety sy ny Zandary, na dia misy aza ny indro kely araka ny fanazavana noentinโ€™i Ramatoa Filohanโ€™ny OJM, fa tongo-tapaka, vilany mitongilana iny, ka isika mianakavy no samy manarina azy.
 
Tsampa koa anefa ny hasarotry ny asanโ€™ireo Zandary, indrindra fa ireo misahana ny Serasera manoloana ny famoaham-baovao marolafy ankehitriny, kanefa na izany aza, dia hita ho naneho fahavononana hatrany hisetra ny firiotry ny Teknolojia ankehitriny izy ireo.
 
Tiana ny milaza fa nandeha nivanatana taminโ€™ny Takelaka :
– InfoCom GN
– Ordre des Journaliste Malagasy
– Feonydemokrasia, iny famelabelarana narahina adi-hevitra iny
 
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

TANTERAKA NY NOFINOFIN4IREO kAOMININA 08 NANDRITRAN4NY 20 TAONA MAHERY

Posted by - aoรปt 12, 2025 0
๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€๐’๐ˆ ๐Œ๐ˆ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐•๐€๐™๐Ž, ๐“๐€๐๐“๐„๐‘๐€๐Š๐€ ๐๐˜ ๐๐Ž๐…๐ˆ๐๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Š๐€๐Ž๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€ ๐•๐€๐‹๐Ž(๐ŸŽ๐Ÿ–) ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐“๐€๐๐€๐๐˜ ๐€๐•๐€๐‘๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€ ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐Ÿ๐ŸŽ ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐Œ๐€๐‡๐„๐‘๐˜ Vita ny BAC…

แดษชแด€ษดแด…ส€แด€ษดแด…ส€แด€ แด›แด€ษดแด›sแดส€แดแด‹แด€ แด€แด ส แด€แดษชษด’ษดส า“ษชแด›แดษดแด…ส€แด€ษดแด€ ษชส€แด‡แด แด แด‡สœษชแด แด€แด ส แด›แด€ษดแด›sแด€สœแด€ แด‡แด›แด แดแด€แด…แด€ษขแด€sษชแด‹แด€ส€แด€. แด€ษดษชsแด€ษด’ษดส า“ษชแด‹แด€แดส™แด€ษดแด€ษดแด€ ษดแด€แดแด˜ษชsแด‡สœแด ษดส แดแด€สœแด€ ษชแดขส แด€แดขส ษดแด€ษดแด…ส€ษชแด›ส€แด€ ษดส แด€ษดแด…ส€แด แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด›แด€ษดส สœแด แด€แดขส ษชส€แด‡แด ษดส า“แด€ส€แด ษดแด sแด€แด…ส ษดแด€ษดแด€แด า“แด€ษดแด€แดส™แด€ส€แด€ษดแด€ แด›แด€แดษชษด’ษดส แด€ษดแด€ส€แด€ษด’ษชส€แด‡แด า“แด€ส€ษชแด›ส€แด€ ส€แด‡สœแด‡แด›ส€แด€ แดษชsส แด€แดขส แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด€ ษดส ษดแดsส.

Posted by - octobre 17, 2024 0
Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny ยซย Journรฉe Internationale des Femmes Ruralesย ยป (JIFR). Fotoana ahafahan’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa fambolena sy…