ππ€πŠπŽπ“π‘πŽπŠπ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π’π„ππ€ππ€ 𝐍𝐘 π„π•π€πŠπ€ π•π€πŽπ•π€πŽ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 πƒπˆπŽπ’π„π™πˆπ’π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€

185 0
Nigadona taty Alaotra ny Alarobia 09 Oktobra 2024 ny evaka vaovao ho an’ny Diosezin’Ambayondrazaka Mgr HERIVONJILALAINA Orthasie Marcelin.
Nisy ny lanona fitsenaina azy tamin’ny fomba nanetriketrika ka tonga nanome voninahitra izany ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany avy ato anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro izay notarihan’ny PrΓ©fet an’Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA DieudonnΓ© sy ny Governora Dr Guy RAMAROSANDRATANA ary ny Solombavam-bahoaka ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick ary olo-manakaja maro sivily sy miaramila
Carnaval lehibe nianga avy eo Vohidiala no nataon’ireo mpino Katolika niaraka tamin’ireo olona nasaina, nihazo an’i Manakambahiny Andrefena ary niditra namakivaky ny Tananan’Ambatondrazaka avy eo, teo amin’ny kianjan’ny seminera Ambatondrazaka kosa no namaranana izany ary narahina lahateny fiarabana sy firariantsoa ho an’ity evaka vaovao ity.
Ny Alahady 13 Oktobra 2024 izao moa no hanaovana ny lamesa lehibe fametrahana azy amin’ny toerana ka mpino katolika maro ato anivon’ny Diosezin’ Ambatondrazaka no andrasana hiara-hiombo-bavaka amin’io fotoan-dehibe io.
Nangonin’i 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

π…πˆπ€ππ†πŽππ€ππ€ π€πƒπ•π€ππ“πˆπ’π“π€ πŒπˆπ“π€ππƒπ‘πˆππ€ 𝐍𝐘 π€ππƒπ‘πŽ π…π€π‡π€π…πˆπ“πŽ | β€Žπ‘»π‘Άπ‘΅π‘»π‘Άπ‘Ίπ‘¨ 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑢𝑴𝑷𝑢𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑽𝑨𝑽𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑽𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑲𝑨𝑳𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑯𝑨 30 𝑻𝑨𝑢𝑡𝑨

Posted by - novembre 15, 2025 0
π…πˆπ€ππ†πŽππ€ππ€ π€πƒπ•π€ππ“πˆπ’π“π€ πŒπˆπ“π€ππƒπ‘πˆππ€ 𝐍𝐘 π€ππƒπ‘πŽ π…π€π‡π€π…πˆπ“πŽ | π’π€πŒππ€ππ€ πŒπˆπ€πƒπˆπƒπ˜ 𝐍𝐘 π•π„π‡πˆπ•π€π•π˜ π’π˜ 𝐍𝐘 π€ππŠπˆπ™π˜ β€Žπ…πšπ«π’π­π«πš 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐧𝐒𝐚 β€Ž β€Žπ‘»π‘Άπ‘΅π‘»π‘Άπ‘Ίπ‘¨ 𝑡𝒀…