๐๐๐ง๐๐ซ๐ข๐ญ๐ฌ๐๐ซ๐ – ๐๐จ ๐๐ณ๐จ ๐๐ง๐ญ๐จ๐ค๐ ๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐๐ซ๐ข๐๐ฆ๐ฉ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ฆ๐๐ง๐ ๐๐ฆ๐ข๐ง`๐ง๐ฒ ๐๐๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐ฅ๐จ๐ก๐๐ซ๐๐ง๐จ
(๐ต๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐`๐๐ ๐๐๐๐
๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐จ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ฬ ๐๐๐๐๐`๐๐ ๐๐๐๐๐๐
๐๐๐`๐๐ ๐ช๐๐๐ ๐
`๐๐๐๐๐
๐๐๐)
โฆNanome tany 1 ha latsaka 30 m ho an`ny zandary ny fokonolona ao Ambaripaika, ho fanamafisana ny fandriampahalemana mihazo loharano iny. Nidina ifotony tany an-toerana ny lehiben`ny vondrotobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Mandritsara & Befandriana avaratra, Andriantsihoarana Hermann Tobiasy, omaly sabotsy 27 aprily ka notoloran`ny fokonolona taratasy fanolorana ny tany. Ny ben`ny tanana any an-toerana no nitarika sy nampahafantatra ny toerana tamin`ny zandary.
โฆKaominina maromaro mandrafitra loharano no nangataka hisian`ny tobin`ny Zandary tamin`ny fotoana nitondran`ny Chef d’escadron Ramananga Norbert Gildas ยซย Commandant de Compagnieย ยป teto Mandritsara. Nivaly fangatahana ity amin`izao ka hametrahana zana-tobim-paritra hisahana kaominina ao anatin`ny Loharano.
โฆVelom-pankasitrahana ny fokonolona manoloana izany. Naneho ny fahavononana ny amin`ny fiarahamiasa eo amin`ny fampandriana fahalemana izy ireo teto.