π€π πžπ§πœπž ππˆπŽπŒπ€πƒ | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐫𝐚𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐑𝐨𝐚𝐀𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐭𝐚𝐳𝐚 , πƒπ’π¬π’π­π«π’π€πšπ§’𝐒 π€π§πšπ₯𝐚π₯𝐚𝐯𝐚

108 0
Nanatanteraka fampiratiana tamin’ny vahoakan’i Marovataza , Disitrikan’i Analalava ny Agence BIOMAD AppliquΓ©e ny zoma 01 martsa 2024. Nampahafantatra ireo vokatra vokariny ho an’ny tantsaha ity ivotoeram-pikarohana sy famokarana fanafody, zezika vita tamin’ny zava-maniry ity.
 
Manana tanjona Β«Hampivoatra ny toekarena manga sy toekarena maitsoΒ» ny Agence BIOMAD & AGRO Γ‰CONOMIE. Hampihena ny fatiantok’iireo mpamboly mampiasa ny vokatra simika koa ny Agence. Hiroso amin’ny fampiofanana an’ireo tantsaha mpamboly ao amin’ny Disitrikan’i Mampikony sy Port-BergΓ© ary Analalava izay efa iparitahan’ny vokany ny Agence BIOMAD AppliquΓ©e atsy ho atsy.
 
Ao Boriziny no misy ny foiben’izy ity izay miara-miasa amin’ny ONG RVBM (Rendez-Vous Boriziny Mandroso) sy ny AVENIR DE MADAGASCAR ( Association de VariΓ©tΓ©s d’Elites de la Nation IndigΓ¨nes et RelevΓ©s de Madagascar). Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiombiana ary ny tontolo ambanivohitra.
Marihina hatrany fa fanafody nandalo « laboratoireΒ Β» nahazo fankatoavana avy tamin’ny fanjakana ny vokatra (fanafody) ao amin’ny BIOMAD. Tany amin’ny taona 2022 no nijoroan’izy ity rehefa nahazo alalana tamin’ny Minisitera.
 

Related Post

π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…

π…πŒπ€π€π“πŒ πŒπ€π‡π€π‰π€ππ†π€ – 𝐓𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐬𝐚𝐑𝐒𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸπ’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨π₯𝐚𝐯𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 22, 2024 0
π…πŒπ€π€π“πŒ πŒπ€π‡π€π‰π€ππ†π€ – 𝐓𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐬𝐚𝐑𝐒𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸπ’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨π₯𝐚𝐯𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 (Nisitraka fampitaovana mamaly filana…