π€π πžπ§πœπž ππˆπŽπŒπ€πƒ | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐫𝐚𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐑𝐨𝐚𝐀𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐭𝐚𝐳𝐚 , πƒπ’π¬π’π­π«π’π€πšπ§’𝐒 π€π§πšπ₯𝐚π₯𝐚𝐯𝐚

214 0
Nanatanteraka fampiratiana tamin’ny vahoakan’i Marovataza , Disitrikan’i Analalava ny Agence BIOMAD AppliquΓ©e ny zoma 01 martsa 2024. Nampahafantatra ireo vokatra vokariny ho an’ny tantsaha ity ivotoeram-pikarohana sy famokarana fanafody, zezika vita tamin’ny zava-maniry ity.
 
Manana tanjona Β«Hampivoatra ny toekarena manga sy toekarena maitsoΒ» ny Agence BIOMAD & AGRO Γ‰CONOMIE. Hampihena ny fatiantok’iireo mpamboly mampiasa ny vokatra simika koa ny Agence. Hiroso amin’ny fampiofanana an’ireo tantsaha mpamboly ao amin’ny Disitrikan’i Mampikony sy Port-BergΓ© ary Analalava izay efa iparitahan’ny vokany ny Agence BIOMAD AppliquΓ©e atsy ho atsy.
 
Ao Boriziny no misy ny foiben’izy ity izay miara-miasa amin’ny ONG RVBM (Rendez-Vous Boriziny Mandroso) sy ny AVENIR DE MADAGASCAR ( Association de VariΓ©tΓ©s d’Elites de la Nation IndigΓ¨nes et RelevΓ©s de Madagascar). Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiombiana ary ny tontolo ambanivohitra.
Marihina hatrany fa fanafody nandalo « laboratoireΒ Β» nahazo fankatoavana avy tamin’ny fanjakana ny vokatra (fanafody) ao amin’ny BIOMAD. Tany amin’ny taona 2022 no nijoroan’izy ity rehefa nahazo alalana tamin’ny Minisitera.
 

Related Post

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
π•πŽππ‰π„πŽ πŒπ€π‘πŽπ€ππ€πŠπŽπŒππ˜ 𝐅𝐀 π€π“π€πŽπ’𝐍𝐘 πƒπ€π‡π€π‹πŽ π“π€πŒππˆπŒ-𝐁𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 πˆπ‘π„πŽ πŒππˆπ…πˆππƒπ‘π€ πŒπŽππˆππ€ —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…