SADABE | ILAY TANANA MIANOKA AO ANATIN’NY TONTOLO IAINANA MADIO

πŸ“Œ Ny Kaominina SADABE, dia iray amin’ireo Kaominina ato anatin’ny Distrikan’i Manjakandriana, eto anivon’ny Faritra Analamanga.πŸ“Œ Ankoatr’ilay tetik’asa lehibe, dia ilay lalam-be miala eto Antananarivo, mihazo an’i Toamasina Renivohitr’i Betsimisaraka, izay tsy lavitry ny tananan’i Sadabe dia manana ny mampiavaka azy ity tanana mianoka tanteraka ao anatry natiora madio sy milamina ity.

AMPASAMANATONGOTRA

πŸ“Œ Ampasamanatongotra dia toerana tsy maintsy lalovaana raha hankany Tsiroanomandidy, na Ampefy iny ianao, manamorona ny lalam-pirenena voalohany, ary 99 km eo ho eo miala an’Antananrivo Renivohitra no misy azy.
πŸ“Œ Raha araka ny fitantaran’Andriamatoa ANDRIAMIRINDRA Sammy, izay sady tarak’ireo 14 mianadahy nananagana ity Ampamanatongotra ity, no sady Sefom-pokontany, dia tahaka izao ny tantara :
Β« Fahagola , efa ela be tany, dia nisy olona miralahy iraitam-po, rehefa samy lehibe izy mirahalahy ireo, dia samy nanambady.