ππ€ππŽπŒπ„ π…π€ππ€πŒππˆπ€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π“π‘π€ππŽπˆππ€ π•πŽπŠπ€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π‡π€πˆπ“π‘π€ππŽ π“π€πŽ π€πŒππŽπ‡πˆπŒπ€π’πˆππ€ 𝐍𝐘 𝐂𝐔 π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€.

215 0
Tsena telo sy trano lehibe iray misy tokatrano 04 no nirehitra vokatry ny Court circuit tao amin’ny Fokontany Ambohimasina, Kaominina renivohitra Ambatondrazaka ny alin’ny Zoma 30 May 2025 tokony ho tamin’ny 11 sy sasany teo ho eo.
Naharitra adiny 3 vao voafehin’ny fokonolona ny afo, satria nanano sarotra ny famonoana ny afo vokatry ny tsy fahampian’ny rano, ka olona iray no naratra mafy fa tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Amin’ny maha tompon’aindraikitra voalohany eto anivon’ny Kaominina ny ben’ny Tanana RATAFITA Fanantenana dia tonga nampahery sy nirary fahasalamana ho an’ny tsy salama ary nitondra fanampiana izay voatsirambin’ny tanana ho an’ireo fianakaviana may trano izy sy ireo mpiara miasa aminy anio Sabotsy 31 May 2025 hariva.
Tafo fanitso miisa 10, planche 30, savony 60 ,Menaka 12 Litatra , Vary 50 Kg ary bodifotsy lehibe 04 no natolotr’izy ireo.
Kely sy bitika raha oharina amin’ny fahavoazana hoy ny ben’ny tanana fa voin-kava mahatratra ka atolotra ampitiavana ho fenehoana ny firaisam-po sy firaisan-tsaina amin’izao voina mahazo ny fianakaviana izao, ary araka ny lalantsaina izay efa iaraha-manatanteraka dia mila maneho ny fiaraisan-tsaina sy firaisankina ary fifanampiana isika rehetra hoy ihany izy.
πŸ‘‰ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (π‘΅π’‚π’π’π’Žπ’† π’•π’π’Œπ’π’•π’‚π’π’š 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`π’π’š π’π’‚π’π’…π’‚π’“π’š π’•π’π’ƒπ’š π’π’š π’‡π’π’Œπ’π’π’π’π’π’π’‚ 𝒂𝒐 π‘¨π’Žπ’ƒπ’‚π’“π’Šπ’‘π’‚π’Šπ’Œπ’‚ 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…