Manamafy ny fanaraha-maso ny sisin-tany i Madagasikara amin’ny alalan’ny rafitra “MIDAS”

157 0

Nisongadina indray ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena eo amin’i Madagasikara sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny sehatry ny filaminana sy ny fanaraha-maso ny fivezivezena eny amin’ny sisin-tany. Tontosa ny 13 Mey 2026 ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny rindran-kajy “MIDAS” ho an’ny Polisim-pirenena Malagasy, rafitra natolotry ny OIM (Organisation Internationale pour les Migrations), niaraka tamin’ny fanohanan’ny Fanjakana Japoney.

Notanterahina tao anatin’ny lanonana ofisialy izany, izay nanatrehan’ny Masoivohon’i Japana eto Madagasikara, Andriamatoa HITOSHI Tojima, ho mariky ny fanohanana sy ny fahavononan’i Japana hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fitantanana ny fifindra-monina sy ny fiarovana ny sisin-tany.

Nisy ihany koa tamin’izany ny fanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, sy ny Lehiben’ny Iraka avy amin’ny OIM eto Madagasikara, Andriamatoa EVINA Roger Charles.

Araka ny fanazavana, ny “MIDAS” dia rafitra nomerika natao hanamora sy hanamafisana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fifindra-monina iraisam-pirenena. Ahafahana manangona sy mitahiry ara-nomerika ny mombamomba ireo mpivezivezy izy io, mba hanatsarana ny fitantanana sy ny fiarovana eny amin’ny sisin-tany.

Tafiditra ao anatin’ny paikady iraisam-pirenena hampiroboroboana ny fifindra-monina ara-dalàna sy azo antoka ny fametrahana ity rafitra ity, ary anisan’ny ezaka entina hanamafisana ny fampiasana ny haitao ara-kajy nomerika aty Afrika ihany koa. Efa ampiasaina any amin’ny firenena maro maneran-tany ny rafitra “MIDAS”, hoy ny fanazavana.

Raha ny eto Madagasikara manokana dia hapetraka eny amin’ny seranan-tsambon’i Nosy Be sy Mahajanga ireo rafitra vaovao ireo. Efa misy kosa izany eny amin’ireo seranam-piaramanidina mandray sidina iraisam-pirenena.

Nanamafy ny Polisim-pirenena fa mitohy hatrany ny ezaka entina hanatsarana ny asa fanaraha-maso ny fivezivezena sy ny filaminana eny amin’ny sisin-tany. Nambarany fa anisan’ny paikady lehibe hahatratrarana izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, izay maneho ihany koa ny fahatokisan’izy ireo ny Polisim-pirenena Malagasy.

Nangonin « Lay Mahitsy

Related Post

ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

Posted by - décembre 19, 2023 0
  Hetsika iray manan-danja no nokarakarain’ny mpianatra, session d’été, ao amin’ny oniversité tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 amin’ny taranja…

𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚   𝐧𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲

Posted by - mars 28, 2025 0
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚  ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…