SEKOLIM-PIRENENA MANOFANA MPITSARA SY MPRAKIDRAHARAHA : NAVOAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ANDIANY ILO.

201 0

πŸ“ŒAlatsinainy 08 aprily 2024.
CCI Ivato, Mpianatra ho Mpitsara miisa 81 no nahavita ny fianarany. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy izy ireo ary notolorana mari-pahaizana. ILO no anarana nisaloran’ity andiany ity izay misy Mpitsara ny ady hifanaovan’ny samy olon-tsotra miisa 41, Mpitsara amin’ny ady atao amin’ny fanjakana 20, Mpitsara momba ara-bola 20.

➑️ Nandritra ny fandraisam-pitenenana, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanamafy fa hapetraka ho maodely eo amin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny Mpitsara, ao anatin’izany izao andiany vao navoaka izao, izay efa tafiditra ao anatin’ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

➑️  Tanjona mantsy ny fanomezana tolotra tsara ho an’ny Vahoaka manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana.
⭐Nanotrona ity lanonana ity ireo tompon’andraikitra isan-tokony eny anivon’ny Andrimpanjakana samihafa, izay notarihan’ny Filohan’ny Antenimiera-doholona sy ny ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny ary ireo Mpiara-miasa ara-bola sy ara – tekinika amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny ENMG

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π€ππ˜ π’π˜ 𝐍𝐘 π’π„π‡π€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ“π€πŒ-ππ€πŽπ•π€πŽ

Posted by - janvier 21, 2025 0
πŽπŒπ„ππ€ π…πˆπŽπ…π€ππ€ππ€ πŒπ€π‡π€πŠπ€π’πˆπŠπ€ « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π€ππ˜ π’π˜ 𝐍𝐘 π’π„π‡π€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ“π€πŒ-ππ€πŽπ•π€πŽΒ Β» πˆπ‘π„πŽ πŒππ€ππ€πŽ π†π€π™π„π“π˜ π€π•π˜ π€ππ˜ π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ π’π˜ πŒπ€ππ€ππ‰π€π‘π˜ 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑢𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…