NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PIZAHAN-TANY 2024 TETOMENABE  

328 0

 

►Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 17 sy 18 may ny taom-pizahan-tany ho any faritra Menabe ka hetsika maro no nanamarihana izany izay notarihin’ny minisitry ny fizahan-tany sy ny asa tanana andriamatoa Joel Andriamandranto ary notronon’ireo tomponandraikim-panjakana ato Menabe notarihin’ny Prefet ny Morondava Rfaidison Fidéle ary ny loholon’ny Madagasika voafidy tato amin’ny faritanin’ny Toliara  sy ireo mpandraraha ary ireo mpanao asa tanana .

►Ny fihaonana tamin’ireo asa tanana sy andriamatoa minisitra no nanombohana ny fotoana nihenoana ireo hetahetan’ireo mpanao asa tanana sy nanaovan’ny minisitra tatitra tamin’izy ireo ny zava-bita sy ireo izay ùbola atao sy ny tanjon’ny ministera ka nivoitra tamin’izany ny fampihofanana ireo mpanao asa tanana sy ny fanamorana ny hazoan’izy ireo ny akora fototra ka hisy ny fametrahana ny trano famarotana ny ankora fototra ilain’izy ireo ka ny akora fanaovana labozia sy savony no hanombohana izany avy hatrany

 

►Nisy koa moa ny fihaoana tamin’ireo mpandraraha misehatra amin’ny fizahan-tany ka tamin’izany no nilazan’ny minisitra fa tsy ny faritra rehetra no handehanany rehefa fisokafan’ny taom-pizahan-tany fa ny faritra Menabe irery ihany satria dia tandindinin-doza ny sehatry ny fizahan-tany ato Menabe hatramin’izay fa tamin’ny taona ity kosa hoy ny minisitry ny fizahan-tany dia efa makany amin’ny fahatsarana ny ato Menabe nohon’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra sy vokatr’ireo ezaka natao hatramin’izay efa madio hoy izy ny plage sy ny tanana  ary efa milamina resaka fandriam-pahalemana ka dia hirariana ny hitohizan’izany ezaka izany hoy hatrany izy satria raha oharina tamin’ny taona lasa dia nihatrasa ny eto Morondava sy Menabe hoy izy

  

►Na dia eo aza izany rehetra izany hoy izy dia tsy ny fiavian’ny mpizahan-tany maro no jerena akaiky fa ny fandraisana azy aloha satria azo antoka hoy izy fa ho tratra ny tanjona amin’ny 2028 ny hiavian’ny mpizahan-tany iray tapitrisa eto Madagasika ka miezaka ny minisitera amin’ny fiaraha miasa amin’ireo ministera rehetra hanatratrarana ny tanjona satria mbola amro ireo sakana izay tsy maintsy hiorana mba hanatratrarana izany tanjona izany ny seranam-piaramanidina izao dia efa hampitoboina ireo sidina miditra sy mivoaka ato Menabe ary eo koa ny fijerena ireo foto-drafitrasa ny lanana sy ny trano fandraisam-bahiny ary ny fahasalamana

►Ny fetsival HARAVOA andiany voalohany moa no ivon’ny fankalazana ny fanokafana  taom-pikatrohana  eo amin’ny lafiny fizahan-tany izay nokarakarain’ny Centre Eco-tourisme Menabe izay nanehoan’ireo mpandraharaha sy mpanao mpanao asan-tanana  ny mampiavaka azy ireo nandritr’izany no nanolorana ny marimpankasitrahana ho anireo mpiofana 50 mahery izay nisitraka fihofanana mikasika ny asan-tanana tao amin’ny Centre Eco-tourisme Menabe nilaza moa ny minisitra fa isany centre modely ny Centre Eco-tourisme Menabe satria mampanjaka ny mampiaty ity centre ity amin’ny fampiofanana ireo tanora sy ireo olona manana fahasembanana  ary mbola manome asa avy hatrany ireo navita fihofanana amin’ny alalan’ireo sehatr’sa maro be izay misy ao amin(ity Centre Eco-tourisme Menabe izay ahitana tanora sy olona manana fahasembanana maro be mian-tsehatra amin’ny asan-tanana .

Related Post

𝑭𝙀𝑺𝙏𝑰𝙑𝑨𝙇 𝘽𝑶𝙏𝑹𝙔 𝘽𝑬𝙇𝑶 𝑺𝙐𝑹 𝑴𝙀𝑹, 𝙉𝑰𝙎𝑨𝙊𝑻𝙍𝑨 𝑵𝙔 𝙈𝑷𝙄𝑲𝘼𝑹𝘼𝑲𝘼𝑹𝘼 𝙉𝒀 𝑻𝘼𝑳𝙀𝑴-𝑷𝘼𝑹𝙄𝑻𝙍𝒀 𝑵𝙔 𝙁𝑰𝙕𝑨𝙃𝑨𝙉-𝙏𝑨𝙉𝒀 𝑺𝙔 𝘼𝑺𝘼 𝙏𝑨𝙉𝑨𝙉𝑨 𝑴𝙀𝑵𝘼𝑩𝙀

Posted by - novembre 2, 2024 0
𝑽𝒆𝒍𝒐𝒎-𝒑𝒊𝒔𝒂𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑽𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏𝒂 𝑲𝑰𝑴𝑶𝑵𝒀 𝑹𝑬𝑺𝑶𝑹𝑻 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒍𝒆𝒎𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒕𝒐 𝑴𝒆𝒏𝒂𝒃𝒆 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑹𝒂𝒌𝒐𝒕𝒐𝒛𝒂𝒇𝒊𝒎𝒂𝒏𝒂𝒕𝒔𝒐𝒂 𝑻𝒐𝒗𝒐𝒉𝒆𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒏𝒚 𝑵𝒐𝒎𝒆𝒏𝒋𝒂𝒏𝒂𝒉𝒂𝒓𝒚  𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂…