Nisy ny fihaonan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety sy ny Emmonat

70 0

Antananarivo, 2 Oktobra 2025 — Taorian’ny hetsika nataon’ireo mpanao gazety omaly, manoloana ny tranga herisetra nihatra tamin’izy ireo raha nidina an-tsehatra nanatanteraka ny asany nandritra ny fihetsiketsehana an-dalambe, dia nisy ny fihaonana manokana androany teny amin’ny Havoria Anosy.

Tonga nanatrika izany ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM), ireo filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety, ary ny mpitarika ny Emmonat. Nampitaina sy noraisin’ireo mpitondra tenin’ny Emmonat ny fitakiana sy ny hetahetan’ireo mpanao gazety. Andrasana amin’izao fotoana izao ny valin-teny avy amin’izy ireo ao anatin’ny fotoana fohy.

Ankoatra izany, dia nifanarahana ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao gazety. Vondrona roa lehibe ireo, samy manana ny andraikitra sy ny andraikiny, saingy misy sehatra tsy maintsy iarahana miasa ho tombontsoan’ny firenena.

Tsiahivina fa efa nisy ny fifanarahana na “Convention” nosoniavina teo amin’ny roa tonta tamin’ny taona 2018, ary tanjona amin’izao fotoana izao ny fampiharana tanteraka izany.

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…