Niaka-bidy izay tsy izy ny vidim-bary eto Port-BergΓ©

164 0

πŸ“Œ Tsy nitsahatra niakatra ny vidim-bary eto Port-BergΓ© taorian’ny fahatongavan’ny orana tato anaty herinandro. Manoloana an’izany dia nivory tampoka ny OMC tarihin’ny Lehiben’ny Disitrika ny faran’ny herinandro teo ary nampiantso ny mpivarotra tamin’ny fiandohan’ny herinandro ity.

πŸ“Œ Teo anatrehan’ireo mivelona amin’ny fihariana fivarotam-bary dia ny mpamongady sy sy mpaninjara no nandraisana fanapahan-kevitra omaly alatsinainy 22 janoary. Tsy azo atao intsony ny mampiakatra ny vidim-bary ho ambonin’ny 900 ariary iray kapoaka eny an-tsena, tsy maintsy mampitovy fitaovana (kapoaka) ampiasaina ny rehetra mba hisorohana amin’ny karazana halatra.

πŸ“Œ Hiara-hiasa amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana amin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa hanara-maso ny fampiharana ny voalaza omaly ary handray fepetra amin’izay minia hitsipaka an’izany.

πŸ†” Nangonin’i Gabin Eloi 

Related Post

π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

Posted by - fΓ©vrier 20, 2024 0
π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – 𝐍𝐒𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 π­π¨π¦π›πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞π₯πšπ›πžπ₯𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐟𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐭𝐲  …