Minisitry ny Rano Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina | nidina ifotony teto amin’ny Renivohitry ny Faritra Bongolava

93 0

Tonga nidina ifotony teto amin’ny Renivohitry ny Faritra Bongolava, Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina, Minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana…

Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny Faritra Bongolava ny Tenany, dia miady sisika eo anatrehan’ny Governemanta ny tenany ho amin’ny fampandrosoana ny Faritra Bongolava. Nihaona nivantana tamin’ireo Ben’ny tanàna vaovao, niaraka tamin’ireo Talem-paritra sy ireo tomponandraiki-panjakana eto Bongolava Andriamatoa Minisitra, ka nametraka paik’ady isan’ny Kaominina tsirairay avy, hanatanterahana ny fitondra-panjakana ety ifotony.

Fotoam-piasana ny taona 2025, ka efa mipetraka ny drafitr’asa ho fanatsarana ireo lalana Kaominaly mampitohy ny Kaominina tsirairay avy Amin’ny alalan’ireo Solombavambahoaka voafidy teto Tsiroanomandidy, ny Prefen’i Tsiroanomandidy, ny Governora mpisolo toerana, ireo Manamboninahitra sivily sy miaramila ary ireo Talem-paritra rehetra eto Bongolava.

FIRAISANKINA ANTOKY NY FAMPANDROSOANA.

Nangonin’i Eric RABARISON.

Related Post

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…