πŒπ€πˆπ‘π„ π‰π€πŒπ„π’ | ππˆπ“πŽππƒπ‘π€ π…πˆπŽπ•π€ππ€ 𝐁𝐄 π‡πŽπ€πβ€™ππ˜ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ ππ„π“π’πŽπ‡π€ππ€

226 0
Nandritr’izay nitondran’i James ny Kaominina ambanivohitra Betsohana, Distrika Mandoto, Faritra Vakinankaratra iny, dia nahitana fiovana lehibe ny tanana,
Raha nalaza fa faritra mena iny toerana iny, dia efa nilamina ankehitriny, nohon’ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Ben’ny tanana James sy ny Mpitandro filaminana.
Ny foto-drafitr’asa indray dia nisy ny ezaka be nataon’ity Ben’ny tanana ity ny amin’izany, izay hitam-poko hitam-pirenena, arak any fomba fiteny aty an-tanana, fa mibaribary toy ny vay an-kandrina tokoa.
Anisan’ny tsy nataony ambanin-javatra ny fijerena ny tanora, ka maro ireo kianja filalaovam-baolina ato amin’ny Kaominina no nasiam-panamboarana, ary tsy vitsy ireo lalao iraisam-pokontany nokarakarainy, andaniny dia be ireo Fikambanan’ny tanora nampiany sy notohanany.
Hiresaka kely mahakasika ny famerenana ny tany hoan’ny vahoaka isika, dia nisy ny ezaka natao amin’ny fizarana karan-tany, izay asa tena mihatraika amin’ny fiainany vahoaka.
Be ireo efa vita, kanefa mbola maro dia maro ny ny vina mbola tiana ho tratrarinak na nahatonga azy hirotsaka hofidiana indray.
Koa entanina isika vahoakan’ny Betsohana, hifidy an’i James laharana voalohany ( NΒ°1) ao amin’ny Bileta Tokana. Tongava mifidy amin’ny faha 11 Desambra 2024 ho avy izao, FIDIO JAMES
Laharana voalohany ny tenako, ary ataoko voalohany indrindra amin’ny kaominina manodidina ihany koa ny Kaominina Betsohana raha Fampandrosoana no resahana hoy izy rehefa nitafa taminay.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…