Antananarivo — Nahazo fampiantsoana ofisialy eny anivon’ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC) ao Anosy ny Jeneraly Ramakavelo Désiré, androany maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany, araka ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha.
Tsy mbola nisy fanazavana ofisialy nivoaka hatreto mikasika ny anton’izao fampiantsoana izao, na koa ny raharaha iantsoana azy.
Na izany aza, manaitra ny sain’ny maro ity hetsika ity, noho ny lanjan’ny andraikitra sy ny maha olona ambony toerana azy eo amin’ny sehatra miaramila.
Miandry ny fanazavana fanampiny avy amin’ny tompon’andraikitra sy ny vokatra hivoaka amin’ity raharaha ity ny mpanara-baovao, indrindra raha hisy fiantraikany amin’ny toe-draharaha ankapobeny eto amin’ny firenena izany.
Nangonin’ Lay Mahitsy




