: HANAMARIKA NY FAHA_50 TAONANY.

96 0
 Tombanana ho 20 isanjaton’ny malagasy no mpino silamo ary tato anatin’ny 05 taona farany dia nihazakazaka ny fidiran’olona tamin’ny finoana silamo.
Any Diégo,Majunga ary eto Antananarivo renivohitra (67ha) no tena betsaka mpino silamo indrindra eto Madagasikara.
Efa teo amin’ny Arivo taona no nidiran’ny finoana silamo teto Madagasikara ary isany finoana tafiditra voalohany teto amintsika raha ny nambaran’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM) .
 Ity fikambanana ity moa izay niorina nanomboka ny taona 1974 ka mankalaza ny faha_50 taonany amin’ity taona 2024 ity.
 Hanamarihana izany ny fifaninanana famakiana koroany masina(Coron) sy ny fizarana loka ary mari-pankasitrahana fanamarihana sy fankasitrahana ireo Ray aman_dreny nahavita be tamin’ny finoana islamo.
Hentanina ny silamo rehetra manerana
Madagasikara mba ho tonga eny amin’ny CCI IVATO ny 24 novembre 2024 amin’ny 08 ora maraina hanatrika ity fankalazana ity.
 Voalohany amin’ny tantara lehibe ho an’ny mpino Islamo eto Madagasikara ity fety fankalazana ny faha-50 taonan’ny FSM ity ary manamarika ny tantara nizoran’ ny finoana silamo teto ihany koa.
📝M.Elvina

Related Post

𝐅𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐃𝐕𝐀𝐍𝐓𝐈𝐒𝐓𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎 | ‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑶𝑴𝑷𝑶𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑽𝑨𝑽𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑽𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑲𝑨𝑳𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑯𝑨 30 𝑻𝑨𝑶𝑵𝑨

Posted by - novembre 15, 2025 0
𝐅𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐃𝐕𝐀𝐍𝐓𝐈𝐒𝐓𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎 | 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐃𝐈𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 ‎𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐚 ‎ ‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀…