Nandalo teto Toliara ny Filohan’ny CENI Andriamatoa DAMA Arsรจne, androany 16 desambra 2024:
Nisy ny fitsidihana sy fankaherezana ireo ekipa mpikirakira ny voka-pifidianana, nisy ihany koa fivoriana niaraka tamin’ireo mpikambana amin’ny rafitra mpikirakira ny vokatra.
Tamin’ny 11 ora atoandro : vokatra avy amin’ny BV 1 355 amin’ny 5885 ato anatin’ny faritany no voakirakira. Distrika 10 amin’ny 22 no nahatonga vokatra, ary efa an-dalana avokoa ireo ambiny. Ny 21 desambra no fe-potoana apetraka ho an’ny faritanin’i Toliara, hamaranana ny fikirakirana rehetra.