๐
๐ข๐๐ซ๐จ๐ฏ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ง๐๐ง๐ โ ๐
๐๐ง๐๐ฏ๐๐จ๐ณ๐๐ง๐ ๐ฅ๐๐ก๐ข๐๐ ๐๐จ ๐๐ง๐ข๐ฏ๐จ๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐๐๐ซ๐ข๐ฆ๐๐ซ๐ข๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ง๐๐ง๐
Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filร nโny fiarahamonina aminโizao fotoana izao ny fanovana goavana kasaina hapetraka eo anivonโny Zandarimariam-pirenena. Ao anatinโny fandaharana โFiarovam-pirenenaโ anio alahady no hanazavanโny Gรฉnรฉral de Brigade MAMELISON Mbina Nonos, Komandinโny Zandarimariam-pirenena, ireo lafiny manan-danja aminโny politika vaovao entinโny hery fiandrianana.
๐๐ป๐ถ๐๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฒ๐ฏ๐ผ๐ธ๐ฎ ๐น๐ฒ๐ต๐ถ๐ฏ๐ฒ ๐ต๐ผ๐ฟ๐ฒ๐๐ฎ๐ต๐ถ๐ป๐ฎ:
โข ๐๐ฎ๐ป๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ผ๐บ๐ฏ๐ฎ ๐ณ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ญ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฎ๐ฟ๐
Nambarany fa hiova tanteraka ny fomba fandraisana andraikitry ny Zandary eny ifotony. Kendrena ny hanamafisana ny fifandraisana mivantana aminโny olom-pirenena, ny fanatsarana ny fandraisana fitarainana, ary ny fanaparitahana rafitra ahafahana mamaly haingana kokoa ny filร nโny mponina.
โข ๐
๐ข๐ญ๐๐ง๐ญ๐๐ง๐๐ง๐ ๐ฆ๐๐ง๐ ๐๐ซ๐๐ก๐๐ซ๐, ๐๐๐ฒ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐ค๐จ๐ฅ๐ข๐ค๐จ๐ฅ๐ฒ
Hatsaraina hatrany ny fitantanana sy ny rafitra anatiny, ka kolikoly sy abus de pouvoir dia ho voasazy henjana. Nasongadinโny Komandy fa tsy maintsy miverina aminโny lanjanโny asa sy ny etika ny Zandary, ka hapetraka ireo mekanisma hanamafisana ny fahadiovanโny asa sy ny andraikitra.
โข ๐๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ถ๐ฑ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ญ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฎ๐ฟ๐
Ho entina ao anatinโny fandaharana ihany koa ny fanazavana mazava momba ny fifaninana hidirana ho Zandary, izay antenaina hisokatra aminโny fomba mirindra sy mangarahara. Ho fantarina ireo dingana, fepetra ary fitsipika vaovao, ka kendrena ny hisarika tanora manan-kery sy mendrika hiroso aminโny asa fiarovam-pirenena.
Aminโity fandraisam-pitenenana ity, dia mikendry ny hanavao sy hanarina tanteraka ny endriky ny Zandarimariam-pirenena ny Gรฉnรฉral de Brigade MAMELISON Mbina Nonos, mba hanana hery matihanina, matoky tena ary itokisanโny vahoaka.





