☑Ny faha 17 ny volana septembre lasa teo no nanao ny fankalazana nasionaly ny teto Madagasikara fa ho an’ny faritra Menabe kosa dia omaly faha 11 Octobre sy androany faha 12octobre no nanatanteraka ny fankalazana teto amin’ny renivohim-paritra Morondava izay notarihin’ny talem-paritry ny fizahan-tany sy ny asa tanana Menabe ary tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana sy ny lanonanm-pamaranana moa ireo manam-pahefana eto an-toerana izay nahitana ny Loholon’ny Madagasikara voafidy tato amin’ny Faritany Toliara,ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’ny Mahabo, ny Governoran’ny Faritra Menabe,ny Préfet ny Morondava, ny Ben’ny tanana mpisolo toerana eto Morondava, sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ary ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny fizahan-tany ; ny lohahevitry ny fankalazana moa dia ny hoe « Fizahantany sy ny Filaminana »
☑️Nandritrin’ny lanonam-panokafana moa dia nisy ny lahateny nifandimbiasana ary tao aorian’izay dia nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo nahavita ezaka lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany teto Morondava ,dia ny Governoran’ny Faritra Menabe amin’ny fanomezana endrika ny tananan’ny Morondava tamin’ireo tetikasan’ny faritra ; eo ihany koa ny OMC tamin’ny ezaka fandriam-pahalemana izay anisany nampandroso ihany koa ny sehatrin’ ny fizahantany tato Menabe ary notohizana tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva izay nampiratiana ireo vokatra sy tolotra ara-pizahan-tany ato Menabe moa izany .
👉Betsaka ireo hetsika nanamarihana izany fankalazana izany tao anatin’izay andro roa izay natomboka tamin’ny diabe namakivaky ny tanana, radio crochet ary ireo fifaninanana isan-karazany isan’izany ny mitondra Lakana, mitaly volo izay namohazana ireo taovolo kolon-tsain’ny faritra Menabe ary ny filatroana ireo fitafy vita amin’ny asa tanana avy ao amin’ny Centre Écotouristique du Menabe .
Tao amin’ny Hôtel Restaurant Laguna beach Nosikely no nentina namaranana ny hetsika fankalazana rejionaly ny andro maneran-tany ho any fizahantany androany 12 Oktobra 2024 ka nizarana ny loka ho an’ireo nahazo ny laharana voalohany sy faharoa tamin’ireo fifaninana ary ny lahan-teny famaranana natao.
➡️Fantatra nandritra ity andro fankalazana ity moa fa tsy mitsahatra miakatra ireo mpizahan-tany mitsidika ny faritra Menabe ka tsy maharaka intsony ireo foto-drafitrasa handraisana ny mpizahan-tany ato Menabe ka izay no hanaovan’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany ezaka lehibe amin’izay resaka fizahn-tany izay nambaran’ny talemparitry ny fizahan-tany nandritr’izao lanonana izao moa fa Morondava no handray ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany ho any fizahantany amin’ny taona 2025.
Nangonon’i RA PA
Related Post
HIRAGASY : TAFIDITRA HO HAREM-BAKOKA ANY AMIN’NY UNESCO
Tafiditra amin’ny fomba ofisialy ao anaty lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona nanomboka ny 5 desambra 2023 alina ny Hiragasy. Ity…
Reniranon’ny LAGNIRANO | harem-bakoka lehibe eto Fort Dauphin
Anisan’ny harem-bakoka lehibe eto Fort Dauphin,ato anatin’ny Faritra Anôsy ity ity. Teto no niandohan’ny Foko Tetanifotsy sy Telôpimamy izay mipetraka…
𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐑𝐄𝐙𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 2024/2025
Ho latsaka kokoa nohon’ny tokony ho izy ny rotsak’orana amin’ ny volana Novambra sy Desambra 2024 ary ny Janoary 2025,…
RUSSIE – AFRIQUE
RUSSIE – AFRIQUE : Hanamboaran’ny RUSSIE Centrales Nucléaires i MALI sy BURKINA FASO izay hamaha tanteraka ny olan’ny erin’aratra. Kihon-dalana…
FORT-DAUPHIN. « ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TOERANA MIAVAKA SY NY ZAVA-NAORINA »/DRCC ANÔSY
Tanteraka soamantsara ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Toerana miavaka sy zava-naorina teto Tolagnaro izay nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera…
INONA NY VAOVAO ?
-
GROUPE JCR VANIALA: MANOHANA NY LAFINY FANATANJAHATENA.
novembre 16, 2024 -
MORENGY SOMAN`ANDRONA – Kolontsaina lova avy tamin`ny Ray amandreny be
septembre 10, 2024
NY VAOVAO TEO ALOHA ?
-
11:04 am - novembre 24, 2024
Reniranon’ny LAGNIRANO | harem-bakoka lehibe eto Fort Dauphin
-
10:33 am - novembre 24, 2024
LETCHI MANDRITSARA – 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗕𝗔𝗞𝗔, 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗡𝗚𝗢𝗠-𝗞𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔
-
12:18 am - novembre 24, 2024
TAMBOHO NIHOTSAKA | 3 MIANAKA NO INDRAY NAMOY NY AINY
-
11:52 pm - novembre 23, 2024
MANOHY NY FAMPANDROSOANA I JEROME – HATOLOTRY NY FIKAMBANANA AVOTRA SABOTSY NAMEHANA
-
9:34 pm - novembre 23, 2024
Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty
METEO
Plus de prévisions: Previsions meteo 30 jours