π€πŒππŽπ€π’π€π‘π˜-𝐒𝐔𝐃 : π…π€ππ€πŒππˆπ€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π“π‘π€ππŽπˆππ€ π•πŽπŠπ€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π‡π€πˆπ-π“π‘π€ππŽ

27 0
AMBOASARY-SUD β€” Nidina ifotony tao Amboasary-Sud ny solontenan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany androany faha 21 Septembre 2026, izay sady mpiahy ny Faritra AnΓ΄sy, nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana traboina vokatry ny hain-trano nitranga tao amin’ity Distrika ity.
Anisan’ny fanampiana natolotra tamin’izany ny vary 40 gony, koveta 100, siny 100, singa 108 ary sotro 500. Ireo fanampiana ireo dia nalefan’ny Minisitra tamin’ny alalan’ireo mpiara-miasa akaiky aminy eto amin’ny Faritra AnΓ΄sy, dia ny Mpanolotsaina sy ny Tale-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany eto AnΓ΄sy.
Nanatrika ny fotoana fanolorana ireo fanampiana ihany koa ny Lehiben’ny Distrikan’i Amboasary-Sud, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra sy solontenan’ireo traboina.
Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny solontenan’ireo fianakaviana traboina noho izao fanampiana izao, izay tonga hanohana azy ireo ao anatin’ny fahasahiranana sedrain’izy ireo taorian’ny hain-trano.
Ho an’ireo traboina, dia tsy amin’ny maha-Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany azy ihany no isaorana ny Minisitra, fa indrindra amin’ny maha-mpiahy ny Faritra AnΓ΄sy azy, noho ny fandraisany andraikitra sy ny fahatongavan’izao fanampiana izao ho an’ireo vahoaka niharam-boina.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY

Related Post