Mpilatsaka an-tsitrapo Japoney izay avy amin’ny JICA (Agence japonaise de coopération internationale) miara miasa sy monina eto amin-tsika Commune Ambohimangakely i MINAMI MATSUMURA .
Mandritran’ ny 1 taona sy 3 volana izy no mijanona eto , Ho tapitra amin’ny Volana Jolay Io anefa ny fijanonany eto .
Nampiofana , sy nampianatra, momba ny tontolo Ambanivohitra sy fanatsarana ny fiainana ary fanamboarana charbon sy fanaovana fatana mitsitsy izy ary nidina ifotony mihintsy miresaka sy mampianatra.
Maro be ireo Olona nahazo tombotsoa satria tsy voatery misy vola foana hoy izy vao afaka manao zavatra fa , atomboka amin’ny zava misy .
Ka naneo ny fampiofanana sy Fampianarana maro nataony izy sy ireo Nampianariny anio .
Tonga nanotrona ny Fety ny Mpiara miasa rehetra teto anivon’ny Kaominina izay notarihan’i Ier Adjoint RIVO LAZA .
Ary nisy ihany koa ny fanomezana marim-pankasitrahana hoan’ireo Niofana ..
Nisy ihany koa ny kilalao maro be , niarahana tamin’ny Ankizy , zumba , sns…
Nangonin’Lay Mahintsy
: Commune Ambimangakely