FIFAMOIVOIZANA ETO ANDRENIVOHITRA : Ao anatin’ny fanantanterahina ny opération DONA ny polisim-pirenena avieo anivon’ny CUI

549 0
🎀 FIFAMOIVOIZANA ETO ANDRENIVOHITRA : Ao anatin’ny fanantanterahina ny opération DONA ny polisim-pirenena avieo anivon’ny CUI.🎀
🛑 Maro be ireo olona tsy manara-dalana eo @ sehatry ny fifamoivoizana fa indrindra @ izao hakatoky ny fety izao
,Ary ny maro an’isa @izany ny mpampiasa moto izay ahitana lozam-pifamoivoizana matetika.
⛔ Natao ity opération ity ho fanamafisana sy fampianarana ireo olona mampiasa moto ny tokony fantatr’izy ireo.
Saika ny ankamaroan’ny mpampiasa moto tokoa manko no tsy manao « Aro loha » na casque moto ; fa ao ihany koa ireo manao taingimbe eny ambony moto eny raha toa ka maro @izy ireo ihany koa no tsy mahay « code de la route akory »
❌ Raha ny teto analakely manokana,maro be ireo fandikan-dalana tratran’ireo polisy ( compagnie urbaine d’intervention) misahana ity opération ity androany 15 jona 2024,izay niarahana tamin’ny motards sy ny CUA Ary handraisana fepetra mifandraika @ ny lalàna avokoa izy ireo miaraka amin’ny sazy tandrify azy avy.
‼️Tsy mijanona hatreto ny hetsika fanamafisana ataon’izy ireo fa hitohy hihamafy hatrany ho fiharovana ny ain’ny daholo be fa indrindra manakaiky ny vahoaka hatrany.‼️
Nangonin’i Malala Tsaroana
Sary:Noums

Related Post

𝐌𝐢𝐥𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐑𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐏 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐕𝐢𝐥𝐥𝐞

Posted by - janvier 24, 2024 0
𝔸𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝔽𝕒𝕟𝕒𝕓𝕖𝕒𝕫𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕒𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕒𝕟𝕚𝕠.   Raisinay ho adidy manokana ny fanaovana izao tatitra izao amin’ny Fitondram-panjakana. Raha…