Voamarika ny fandraisana Anjara mavitrika kokoa an’ireo mpisehatra ara-politika ,nahitana tranga tsy fanarahan-dalàna sy fifandonana mampiahiahy iny fifidianana solombavam-bahoaka izay notanterahina ny alarobia 29 Mai iny hoy ny avy eo amin’ny SAFIDY.
Nizotra am-pilaminana ny androm-pifidianana na dia nisy aza ny fifandonana sy tsy fanarahan-dalàna nanamarika izany .Niovaova araka ny toerana ny hamafin’ny fifandonana .
Nisy ny fandorana tranom-panjakana tahaka ny tany Tsihombe sy Tsiroanomandidy.
41,6% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny SAFIDY maso,niakatra Io raha oharina tamin’ny fifidianana ny taona 2019 izay 40,6%.Nidina kosa raha oharina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena lasa Téo.
204 tatitra fanairana voarain’ny SAFIDY nanomboka tamin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra hatramin’ny faha 31 mey 2024.
Nirona tamin’ny fiaraha-mitantana ireo Antoko lehibe izay no anisany mampiavaka ny Antoko politika malagasy .
Tsy ampy ny fahamaroana sy fahasamihafana ara-kevitra Ary ny riankevitra Nandritra ny fampielezan-kevitra .
Mitoetra hatrany ny tsy fahatomombanana ,tsy fanarahan-dalàna ,tsy firindrana Ary ny fahabangana eo Amin’ny lafiny lalàna sy ny tontolony.
Tsy mangarahara ny famatsiam-bola Amin’ny fampielezankevitra.
Tsy misy andinin-dalàna mifehy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana.
Tsy navoaka miaraka ireo didim-panjakana momba ny fifidianana ka miteraka tsy fanarahan-dalàna sy ahiahy Téo amin’ireo mpisehatra ka nahatonga ny tsy fitoviana lenta Nandritra ny fanomanana ny fifidianana .
Voafetra ny fandraisan’anjaran’ireo vondron’olona marefo ,ny tanora,ny vehivavy,Ary ireo manana fahasembanana na Dia nisy aza ny fanentanana.
Anjorom-bala ireo Mponina avy any ambanivohitra tamin’ny fanabeazana ara-pifidianana.
Tsy misy Fitiavana ara-politika Amin’ny fananganana ny ANRCM ,rafitra tokony hiantoka ny fitovian’ny kandida Amin’ny fidirana Amin’ny haino aman-jery ka lasa nandringa ny fampielezan-kevitra.
Mbola lavitra ny fahantaterahan’ny foto-kevitra mifotitra Amin’ny marolafy ,ny soatoavina,etika ,ny rariny Ary ny fifandajana mandritra ny fampielezan-kevitra Amin’ny fifidianana raha tarafina Amin’ny firongatry n’y fampitam-baovao ho tombotsoan’ny mpanao politika.
Nampiasaina tsy misy fetrany ny « Facebook », indrindra tamin’ny fifandraisana tamin’ny mpifidy ,nanome vahana kosa ny fifanenjahana ,fifankahalana Ary fampielezana vaovao tsy marina .