PORT-BERGE | DIMY TAONA NIJOROANA NY GAS’CROUT CAKE.

170 0
PORT-BERGE | DIMY TAONA NIJOROANA NY GAS’CROUT CAKE. OLONA MARO NO NISITRAKA VOKATR’IZY IREO. MBOLA VONONA HAMPITOMBO NY TRAIKEFANY NY MPAHANDRO.
Ny taona 2019 no nijoro teto Port-Bergé ny « Cas’croute cake », ivotoerana mpikarakara sy mpahandro mofo mamy. Niainga avy tamin’ny kely indrindra tamin’izany satria nampiana-tena, nampiana-batana i Sylvie Marie Christianne izay mpampianatra ao amin’ny Lycée Port-Bergé, fondatrice an’ity ivotoerana ity.
Taty aoriana dia lasa vehivavy sangany sy matihanina ny tenany ary nampianatra sy nitarika olona amin’ny fandrahoana sakafo. Ankehitriny dia maro ireo mpikambana ao amin’ny  » Gas’crout cake Port-Bergé » ary samy efa manana traikefa izy ireo. Saika efa nahitana mpanjifa ny vokatr’izy ireo avokoa ny Disitrika 7 mandrafitra ny faritra Sofia , eny hatrany amin’ny Faritra Diana mihintsy.
Ankatoka izao fanamarihana ny faha-05 taonany izao dia nampianatra maimaimpoana ho an’izay liana izy ireo. Tsy nijanona tamin’ny mofo mamy ihany vokatra sy fampianarana natao fa nivelatra amin’ny fandrahoana karazan-tsakafo isan-karazany. Vonona hanohy ny asany, hampitombo ny traikefany ireo mpikambana, hoy Madama Sylvie.
Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

Fiarovam-pirenena — Fanavaozana lehibe eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Posted by - novembre 16, 2025 0
𝐅𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 — 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filàn’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao…