ARIVONIMAMO : JIOLAHY RAINDAHINY MPAMERIN-KELOKA NITIFITRITRA ZANDARY NO MATY 

567 0
❌Dahalo iray fanta-daza mpamerin-keloka @ fanafihana mitam-piadiana atsoina hoe Nary volomborona izay efa nokarohina hatrin’ny ela no itan’ny mponina niaodiaody teto Andraitsimiemona Ambohibary Arivonimamo ny alin’ny 18 mai 2024 lasa teo.
🛑 Niantso ny mpitandro ny filaminana aviatrany ireo mponina ka nifanehitra teo @ fidiranana ny tanana ilay dahalo sy ireo zandary.
⛔ Nitifitra aviatrany moa ity dahalo ity ary namaly ny mpitandro ny filaminana ka voa tao amin’ny lamosiny i Nary Volomborona .
🛑 Nohon’ny fahaverezan-dra be loatra dia tsy tana intsony ny ain’ilay Dahalo ; tratra teny @ny mazavahoazy ny basy vita gasy iray ary nahitana taim-bala calibre 12 ihany koa teo @ny manodidina rehefa natao ny savahao.
‼️ Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nanolorana ny razana tamin’ny Fianankaviana raha toa ka niroso tamin’ny fampandrenesana ny tonia mpampanao lalàna ao Imeritsiatosika ny zandary eto an-toerana ‼️
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…