FIANARANTSOA – HCC SY NY ANDRAIKINY EO AMIN’NY FIFIDIANANA.

172 0
Tanterahina eto Fianarantsoa,mandritra ny 2 andro ,manomboka androany alakamisy 25 avril 2024 ity ny atrik’asa fampahafantarana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ,ny andraikiny sy ny Fahefana Mpitsara ao anatiny. Izay atrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana eto an-toerana,nanasàna ireo kandida milatsaka ho fidiana ho solombavambahoaka avy amin’ny Faritra ato anatin’ny Faritany Fianarantsoa , miaraka amin’ireo mpanao politika sy mpisehatra amin’izany.
 
Nampahafantarina tao anatin’izany ny fahefana sy ny andraikitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana,ao anatin’ny raharaham-pifidianana.
Nampitsiahivina tao koa ireo andinin-dalàna mifehy ny olom-panjakana sy ny fitaovam-panjakana ary ireo kandida anatin’ny fifidianana.
 
Hisy ihany koa ny varavarana misokatra sy valan-dresaka ho an’ireo mpianatra lalàna eny anivon’ny anjery manontolo
 
Nitarika ny fotoana ny mpanolo-tsain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana. Vonona ny HCC ny hanao zavatra araka ny lalàna mba hisian’ny mangarahara , hoy hatrany izy ireo.
 
Nangonin’i Ando RAFAHATELO

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…