FIANARANTSOA – HCC SY NY ANDRAIKINY EO AMIN’NY FIFIDIANANA.

243 0
Tanterahina eto Fianarantsoa,mandritra ny 2 andro ,manomboka androany alakamisy 25 avril 2024 ity ny atrik’asa fampahafantarana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ,ny andraikiny sy ny Fahefana Mpitsara ao anatiny. Izay atrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana eto an-toerana,nanasàna ireo kandida milatsaka ho fidiana ho solombavambahoaka avy amin’ny Faritra ato anatin’ny Faritany Fianarantsoa , miaraka amin’ireo mpanao politika sy mpisehatra amin’izany.
 
Nampahafantarina tao anatin’izany ny fahefana sy ny andraikitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana,ao anatin’ny raharaham-pifidianana.
Nampitsiahivina tao koa ireo andinin-dalàna mifehy ny olom-panjakana sy ny fitaovam-panjakana ary ireo kandida anatin’ny fifidianana.
 
Hisy ihany koa ny varavarana misokatra sy valan-dresaka ho an’ireo mpianatra lalàna eny anivon’ny anjery manontolo
 
Nitarika ny fotoana ny mpanolo-tsain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana. Vonona ny HCC ny hanao zavatra araka ny lalàna mba hisian’ny mangarahara , hoy hatrany izy ireo.
 
Nangonin’i Ando RAFAHATELO

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…