FAHATRATRARANA MPANGALATRA ENTANA ANATY FIARA MANDEHA LALAN-DRATSY TAO AMIN’ NY LALAM-PIRENENA FAHAROA RN2.
Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Vohibinany (Brickaville ) ilay tovolahy tompon’antoka tamin’ny resaka halatra entana anaty fiara tsy mahataho-dalàna na (4×4) izay niseho tamin’iny lalam-pirenena faharoa (RN2) iny tao amin’ny toerana antsoina hoe Androranga, fokontany Nierenana, Kaominana Ambonivohitra Vohibinany.
Raha tsiahivina dia omaly hariva 16 aprily 2024 tokony tamin’ny 09 Ora no nisy nangalatra ireo entanan’ireo mpandeha tao anatin’ny fiara voalaza etsy raha avy Antananarivo hiazo ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Nanaraotin’ny tsy matahotody ny fandalovany sy fandehanan’io fiara io mora teo amin’ny lalan-dratsy voalaza ka very vokatr’izany ny sakaosy miisa telo izay misy solosaina(ordinateur), fitaovana fakan-tsary ( appareil photo) sy kojakoja ary fitafiana maro samy hafa.
Vokatry ny fikarohana nataon’ireo zandary teny an-toerana sy ny fidrandrahana ireo angom-baovao dia tratra androany 17 aprily 2024 maraina ny iray tamin’ireo nahavanon-doza raha toa ka mbola karohina ny namany iray izay mbola mitsoaka ankehitriny . Hita arak’izany ny solosaina( ordinateur) sy ireo sakaosy, « ventilateur ».
Efa eo ampelatan’ny manam-pahefana ao Vohibinany ny raharaha ankehitriny ary hatolotra ny fampanoavana ao Toamasina aorian’ny Famotorana.
Ny zandarimariam-pirenena dia manentana ireo mpampiasa làlana mba ho mailo lalandava ary hanamarina tsara ny hidin’ny fiara rehefa mandalo amin’ireny lalan-dratsy ireo fa tsy kely làlana ny mpanao.
Aoka ihany koa tsy hisalasala hiantso ny zandarimariam-pirenena akaiky anao indrindra raha sendra misy ny mampihahiahy na tranga eny làlana mba hahafahana manampy anao ara-potoana satria » NAMANAO HATRANY NY ZANDARIMARIA »
Nangonin’i Claudia Tsitolomy
Source: Zandarimariam-pirenena m-pirenena Atsinanana.