Émeline RAKOTOBE | Niantoka ny solika nanaovana ny lalana mampitohy ny Kaominina Tanambe amin’ny Kaominina Beanana,

615 0
Émeline RAKOTOBE | Niantoka ny solika nanaovana ny lalana mampitohy ny Kaominina Tanambe amin’ny Kaominina Beanana,
 
👉 Niantoka ny solika nanaovana ny lalana mampitohy ny Kaominina Tanambe amin’ny Kaominina Beanana, Distrikan’Amparafaravola ny Solombavam-bahoaka Émeline RAKOTOBE, raha ny Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro tarihin’ny Governora Dr Guy RAMAROSANDRATANA kosa no nanome ireo fitaovana avy tamin’ny Filoha Andry Rajoelina miaraka amin’ireo teknisianina manatanteraka ny asa.
 
👉Mizotra tsara ny asa ary dia velom-pisaorana ny vahoaka fa tena tsy misy tokoa Kaominina adino ary nanome toky izy ireo fa ny fitia mivaly fitia satria efa ela nijaliana tamin’ny faharatsian’io lalana io izy ireo.
 
👉Manaramaso ny fizotran’ny asa moa ireo mpiara miasa amin’ny solombavam-bahoaka tarihin’Atoa Frédéric izay sady kandida lisitra faha roa amin’ny vovonana IRMAR laharana faha 2️⃣ amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka ho avy izay.
 
Nangonin’i Lova Janà

Related Post

Fédération Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - décembre 17, 2023 0
𝐅𝐞́𝐝𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐞 𝐊𝐮𝐧𝐠-𝐅𝐮 𝐖𝐢𝐬𝐚 — 15 décembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…