IZAY TONGA SOA IHANY NO ARAHABAINA!
IZAY TONGA SOA IHANY NO ARAHABAINA!
Aleo mba hifampizara kely indray isika.
FOMBA FANDREFESANA HALAVIRAN-TANY REHEFA ANY AMBANIVOHITRA KA MANDEHA TONGOTRA IANAO.
Rehefa sendra mandeha tongotra any ambanivohitra iny ianao, ary rehefa te ho tonga malaky nefa tsy mbola hay ilay toerana dia tsy maintsy manotany tompotany, ary miankina @ valim-panotaniana avy aminy no hanamboaranao saina.
Nisy fotoana izaho nanotany tompotany, raha hamonjy tanana iray izay mbola tsy hitako, dia novaliany hoe tsy alavitra intsony izany ra sefo, satria TRA-KOKA eto aminay ilay tanana, raha lera izany dia vita antsasakadiny na mahery kely eo ho eo raha mandeha tongotra.
Nanotany tanana hafa koa izaho avy eo, dia namaly ilay tompotany hoe , akaikikaiky ihany satria MAHAMASA-BARY eo ho eo izany raha dian-dehilahy miaraka @ vadiny (vehivavy), eo ho eo @ adin’ny iray eo no ahavitana azy raha mandeha tongotra.
Niezaka nanotany azy toerana hafa ihany koa ny tenako , dia novaliany hoe ao AMBADIMBADIKA ao eto indrindra no tsy haiko hoe lera firy, izany hoe manantena anao fa akaikikaiky kay rehefa mandeha tongotra tsy vita raha tsy Ora 03 farafahakeliny.
Ary ny farany, nanotany ilay chef lieu de commune aho, dia namaly ilay olona hoe, MIHOABOHITRA im-balo (08) , ary téo vao nahatsapako @ alalan’ny tombatombana, eny am-pandehanana eny, fa vohitra 02 izany mety vita adiny 01farafahalakiny, saingy miankina @ haavon’ilay vohitra (fiakarana) sy ny hamaronireo olona mpandeha miaraka, ary ny haterin’ilay lalan-kely no mety hampiovaova izany.
Asa mba manao ahoana kosa ny fomba fandrefesanana halavirana toerana any ambanivohitra misy anareo any.
Manantena ny fandraisana an-jara mavitrika tompoko.
De l’Avant !
Hoy i Kapiteny Faneva : TSY HAIKO NA AHOANA HOAVINTSIKA ETO TY FA EFA TSY RARINY INTSONY IZAO E!!!
SALAMANGA ROLAHY !
Mba hizara kely izay traikefa ananana indray aloha @ mahakasika ny fomba fandresena lahatra vahoaka (ART DE CONVAINCRE)
Mety maro ny fepetra arahana mba hahalavorary ka mba hahitam-bokany ny fanentanana izay atao.
Saingy, alohan’izany rehetra izany, dia tsarovy fa mila RESY LAHATRA TANTERAKA @ tenanao aloha ianao vao manatateraka fanentanana iray.
RESY LAHATRA @ TENAKO AHOANA MOA IZANY???
Ny endrika ety ivelany ( PRESTANCE), na fijoro , na fiankanjo, na fihetsika, sns…
Ny fiteny ( ÉLOQUENCE), tsy mampiasa voambola afa tsy izay mora azon »ny rehetra, ary tokony ho henon’ny rehetra ny feo.
Fahafehezana ny loha hevitra (CONNAISSANCE), mety maro ny olona manam-pahaizana tonga hanatrika eo, ka mila voafehy tsara ny zavatra anentanana. FADIO NY MITENY ZAVATRA TSY AZO ANTOKA.
Fahafantarana ny kolotsain’ireo hanatrika (US et COUTUMES), Mila manaraka volontany.
REHEFA EO AM-PANENTANANA KOSA DIA AZA HADINO IRETO :
Mahay mitady fomba tsy hampatory ny mpanatrika ( CRÉER DE L’AMBIANCE)
Aza hadino ny misaotra ny olona niatrika téo na dia vitsy aza (REMERCIEMENTS).
Mba araho ireo fa mety hahitanao vokatra tsaratsara kokoa @ fanentanana manaraka
De l’Avant !
Hoy i Kapiteny Faneva : TSY HAIKO NA AHOANA HOAVINTSIKA ETO TY FA EFA TSY RARINY INTSONY IZAO E!!!
HAZOLAVA ROLAHY
TSY HAIKO NA AHOANA HOAVINTSIKA ETO TY FA EFA TSY RARINY INTSONY IZAO E!!!
RAHA IZAO NO ATAO HOE ALAFALY, AROVANA, DIA AZA GAGA RAHA HO RITRA TANTERAKA IO RENIRANON’NY TSIRIBIHINA IO.
MAMPITENY NY MOANA MARINA IZAO.
FITIAVAN-TENA, MAMONO NY VAHOAKA, MANIMBA NY HO AVY, TSY MIRAHARAHA NY TARANAKA AMAM-PARA IZAO.
AZA MIANDRY OLO HAFA FA ANDAO MITSANGANA HIARO NY ALA.
KOA HIJORO IZAHAY TANORA ARON’NY VAHOAKA HANAMPY NY MPIARO NY ALA HAMONGOTRA NY DAHALON-ALA,
MIKAIKY ANAREO VAHOAKA HO TONGA SAINA KOA FA LOZA MIHANTONA IZAO, MIANDRY IZAY ITOTONANY…
De l’Avant!
Hoy i Kapiteny Faneva : Misaotra anareo Bekopaka hitambatra aminay ô,
🤗🤗Misaotra anareo Bekopaka hitambatra aminay ô, Sady asa vita no fahafinaretana azo 🙏 🙏Misaotra ny Tompo fa vita aloha ny tany, fa ny fanamafisana ny Kalony sy ny Dina itambarana sisa no atao. 👉Tena lasa mandihy fa tsy MANOMPO tanindrazana indray ilay kolonely, mahagaga fa ny asa vita ihany??🙏🙏 🙏🙏Mivavaka hatrany @ Tompo mba hilamina ny manodidina atsika Ry Menabe @ izay milamina maharitra isika 🙏🙏🙏
👉De l’Avant!💪
« MIAVO TSA FENO DIA KOA TAIN-DELO. »hoy ny fiteny avy any izay.
Ny tenako dia tsy lafatra fa mba hitondra hafatra ho antsika mpanaraka ny pejy
Maro ireo mpiara-monina amintsika manafina ny fahalemeny eo @ fiainany @ alalan’ny fiavonavonana nefa tsy mankaiza akory🙂↕️
Tadidio fa ny fiavonavonana dia tsy hitondra fahasoavana @ fiainanao velively ary tsy hahavonjy anao @ andro sarotra, satria tsy voatery ho arakaraky ny fieretreretanao azy ny lalam-piainanao io, ka indraindray ianao voatery hitady namana na mpiara-monina.
Aza hadino fa io avonavona io ihany koa no fivoy iray manalavitra anao @ fiarahamonina, nefa rehefa andalovan-drahona mainty ny fiananao an, dia ireny olona iavonavonanao ireny ihany no inoako fa hahavonjy anao, ireny ihany no hilanja anao any @ toerana hisitrihanao.
FEHINY:
Mahaiza miaina miaraka @ ireo mpiara-belona aminao, ary tsy adala akory ny ntaolo niteny hoe « tambatambazo ny mpamosavy hameloman’anaka », satria ny vola, ny harena, ny voninahitra izay mety hiteraka fanamboanian-tena na fiavonavonana dia misy fetrany avokoa, fa ny fihavanana ihany no mahalava velona ary mahafaka anao @ sarotra, indrindra raha sendra misy loza tampoka.
Indramiko ity fiteny ity hoe : Ny tanimbary fotaka, ny omby hena, ny vola taratasy, fa ny olo ro olo. »
Izay ary moa, fa soava mandry aby ô
De l’Avant!
FEHINY:
Mahaiza miaina miaraka @ ireo mpiara-belona aminao, ary tsy adala akory ny ntaolo niteny hoe « tambatambazo ny mpamosavy hameloman’anaka », satria ny vola, ny harena, ny voninahitra izay mety hiteraka fanamboanian-tena na fiavonavonana dia misy fetrany avokoa, fa ny fihavanana ihany no mahalava velona ary mahafaka anao @ sarotra, indrindra raha sendra misy loza tampoka.
Indramiko ity fiteny ity hoe : Ny tanimbary fotaka, ny omby hena, ny vola taratasy, fa ny olo ro olo. »
Izay ary moa, fa soava mandry aby ô
De l’Avant!
« La pensée que je serai demain avec toi me donne la force d’aller DE L’AVANT aujourd’hui. »
Jack Nicholson
Nahafinaritra ny fifanakalozana traikefa nataon’ny vondrotobimpileovan’ny zandarimaria eto Menabe sy ny solotenan’ny fikambanan’ireo Ben’ny tanana vehivavy eto Madagasikara izay natao tao @ Vezo hôtel omaly zoma 14 Jona 2024.
Nisy ny fizarana boky torolalana ho an’ireo Ben’ny tanana.
Nosafidinizireo manokana moa aty Morondava noho ilay faritra milamina sy madio.
Nofaranana t@ fiarahana mitsaingoka sy misotro ny fotoana Ary narahana fankana sary fahatsiarovana.
De l’Avant !
Nanatontosa gny fiaraha misakafoihany koa androany Nosikely- izy ireo no nahazo voalohany tamin ny concours Flash mob na Ihafy 2em Édition izay nokarakarainy ONG Moteur Nosikely- ro nibata loka Omby tamin tsara sitram po nasaina manokana ihany koa Parrain NOnimihary Ralaiavyary Ralaiavy tandroky Gnagnara Colonel Faneva Izy no Ray mpiahy anay tamin ny Ihafy adiany faharoa ity Na hoe Isika Hamboly Firaisan kina Ary mbola ho Izy hatrany ho Ray mpiahy Ihafy andiany fahatelo sy manaraky eotsy soloanay olo hafa Parrain nay fa mikarakara anay Hafalia ro nizara nandroany nitohiza Amin sinjaky gny fiaraha …misaotra Nosikely- nanasa avao koa ekipan i ONG Moteur nandroany
Mirary soa bdb ho an i Parrain Ihafy koa hoeny Zao hoeny Zao koa mba ho velona ao am po tsika tokoa gny firaisan kina voho fihavana izay no tanjona avy Amin i ONG Moteur Amin Ihafy ity ….
TA.FA miaraka amin’i Kolonely FANEVA
Tongasoa eto amin’ny takelaka manokana TA.FA miaraka @amin’i Kolonely FANEVA (De l’Avant!)
Takelaka iray natao hifanabeazana, hifampizarana, indrindra ny tsara ho fantatra mahakasika ny fampandriam-pahalemana.
Mirary anao mba hahazo fahalalana ao am-panarahana izany takelaka izany
FIKAFIKA FANASANA TANANA HOY COLONEL FANEVA
26/20/2024
ADY AMIN’NY FANGERENA AN-KALAMANJANA
04/20/2024
SALAMANGA ROLAHY
ADY AMIN’NY FANGERENA AN-KALAMANJANA
Tadidio fa ny fahasalamana no voalohan-karena, nefa sarotra ny hahazahoana izany voalohan-karena izany raha sanatria ka feno loto ny manodidina anao.
Araka izany dia azo ambara fa tsy miara-dalana velively ny loto sy ny fahasalamana, tena mifanohitra mihintsy.
Ny mahagaga nefa, tsapa amin’ny fiainana andavanandro fa ny ankamaroan’ny vahoaka dia te hanana fahasalamana, vatana tomady, nefa tsy te hiala amin’ny loto.
Ohatra ary songanina manokana amin’izany isika tia magery an-kalamanjana ireny, eny amorom-pasika indrindra indrindra.
Tadidio fa mandrora miatsilany isika tia manao izany, raha te hahalala ny antony izany isika dia asaina amim-pitiavana ianao hanaraka ity TA.FA natao tao amorom-pasika Avaradrova Morondava ity.
MIHAINOA FINARITRA TOMPOKO
De l’Avant!
DROIT DE RÉPONSE.
Tonga amin’ny fotoana nifanomezana isika, fotoana izay hamintinana ny famaliana ny publications tao @ fb mahakasika ny tenako indrindra eo amin’ny fomba fiasa .
Koa indro ary ny andinidininy amin’izany
Mihainoa finaritra tompoko
De l’Avant!
MITOHY HATRANY NY ASA
Omaly, Alatsinainy 15 Aprily 2024
Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny ireo #Zandary_roa napetrak-i
Fivoriana nametrahana ny lamina sy paikady amin’ny #andrimasom_pokonolona (#Njado)
Koa nanomboka omaly alina dia miasa avy hatrany ny ekipa.
Tafatafa nataon’ny Kolonely Faneva tamin’ireo mpampiasa ny lalampirenena makany Morondava.