Commissariat Central Avaradrano | Sabotsy Namehana.

453 0
Rehefa nahazo fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitram-po ny Polisy eto amin’ny Kaomisaria Sabotsy Namehana fa misy jiolahy mihaodihaody aty FKT Manarintsoa dia nametraka ny velam-pandrika rehetra hahafahana misambotra izany izy ireo.
 
Rehefa nidina teny an-toerana tokoa ny Mpitandro filamininana, dia nisy tokoa ny andian-jiolahy miisa 3 mitam- piadiana. Tokony ho tamin’ny 10ora alina tany ho any , dia raikitra ny fifanenjehana sy fifampitifirana.
Vokany lavo ny balan’ny Mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy, ary tratra teny aminy ny basy pistolet automatique nampiasainy. Raha tafatboritsaka kosa ny roalahy namany ary mbola karohina hatramin’ny ora hanoratanay.
 
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra Namehana iny na dia eo aza ny fepetra rehetra noraisin’ny Kaominina sy ny Mpitandro filaminana any an-toerana izay hita ho manao ny ainy tsy ho zavatra mihintsy manoloana ny fampandriam-pahalemana ny tanana.
 
Ilaina foana ny fifanampiana sy fifampitana ary indrindra ny fampitam-baovao aram-potoana tahaka izao indrindrafa ankatok’izao fety izao dia mila mailo hatrany satria ny ratsy tsy kely lalana
 
 
Nangonin ‘Lay Mahintsy
πŸ“· : sary fanehoana

Related Post

Fanamarihana ny 29 mars Antsirabe.

Posted by - mars 29, 2025 0
Fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato manoloana ny garan’Antsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…

πŒπšπžπ―πšπ­πšπ§πšΜ€π§πš: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐒𝐯𝐨𝐚𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚 π¦π›πš 𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐒-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π₯𝐚𝐟𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦πšπ¦π›π«πš 𝐧𝐲 πŽπŒπ‚ 𝐑𝐄𝐆 ππžπ­π¬π’π›π¨π€πš.

Posted by - mars 19, 2026 0
πŒπšπžπ―πšπ­πšπ§πšΜ€π§πš: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐒𝐯𝐨𝐚𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚 π¦π›πš 𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐒-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π₯𝐚𝐟𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦πšπ¦π›π«πš 𝐧𝐲 πŽπŒπ‚ 𝐑𝐄𝐆 ππžπ­π¬π’π›π¨π€πš. Tao amin’ny…

π™π€ππƒπ€π‘π˜ π‘πŽπ€ π’π€πŒπ˜ πŒπ€π“π˜ π€πŒππ„π‘πˆππ€π’π€

Posted by - octobre 31, 2024 0
π™π€ππƒπ€π‘π˜ π‘πŽπ€ π’π€πŒπ˜ πŒπ€π“π˜ π€πŒππ„π‘πˆππ€π’π€ (π’π’‚π’π’…π’‚π’“π’š π’Žπ’‘π’Šπ’‚π’π’‚-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 π’Šπ’“π’‚π’š π’π’Šπ’•π’Šπ’‡π’Šπ’•π’“π’‚ π’π’†π’‰π’Šπ’ƒπ’†π’π’š 𝒕𝒂𝒐 π’‚π’Žπ’Šπ’`π’π’š π‘ͺ𝑺𝑨𝑢 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 π’π’Šπ’•π’Šπ’‡π’Š-𝒕𝒆𝒏𝒂 π’Šπ’›π’š π’‚π’—π’š 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…