AKON’NY FAHATSIAROVANA NY 29 MARTSA 1947

14 0
MORONDAVA ๐—ง๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐— -๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ก๐—” ๐Ÿฎ๐Ÿต ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐˜๐˜€๐—ฎ ๐Ÿญ๐Ÿต๐Ÿฐ๐Ÿณ: ๐—™๐—œ๐—ง๐—œ๐—”๐—ฉ๐—”๐—ก-๐—ง๐—”๐—ก๐—œ๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข ๐—™๐—ข๐—ง๐—ข๐—ง๐—ฅ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—”๐—ก๐—”
๐Ÿ”บ Feno 77 taona androany 29 martsa 2024 ny tolom-panafahana nataon’ireo mahery fo izay niady ny fahafahan’i Madagasikara teo ambany ziogan’ireo Mpanjanaka, maro ireo aina nafoy vokatr’izany tolona izany.
๐Ÿ”บTsy diso anjara tamin’ny fahatsiarovana izany andro izany ny faritra Menabe ka fotoampivavahana niraisam_pinoana tao amin’ny FJKM Mahagaga no nanombohana ny fotoana ary nitohy tamin’ny lanonana ara-miaramila izay notarihin’Atoa Prefen’i Morondava Rafidison Fidรจle , notronin’ny kaomandin’ny ZDS Tsiribihy Gรฉnรฉral Koto Paul sy ny kaomandin’ny Brigade d’infanterie ouest Gรฉnรฉral Andriantaolo Tsilavinjato Honorรฉ ary ny kaomandin’ny vondrontobim_paritra ny zandarimaria Colonel Onimihary Ralaiavy Fanevason, notronin’ireo Olo manan-kaja sivily sy miaramila, Raiaman_dreny ara- panahy sy ara-drazana ary ireo Vahoaka, tonga nanome voninahitra izao fahatsiarovana ny tolona 1947 izao koa moa ny loholona Mahonjo Justin.
๐Ÿ”บ Nandritrin’izany lanonana ara-miaramila izany no nametrahana ny fehezam_bonikazo teo amin’ny Tsangam_baton’ny mahery fo teo amin’ny ESSO MATY ary tamin’izany no nilazan’ny Prรฉfet an’ny Morondava fa mila velomina ny fitiavan-tanindrazana izay efa tsy ampy intsony an_kehitriny.
๐Ÿ”บ Nahagaga ireo Ray aman_dreny tonga nanatrika teo no nahita fa toa ireo tomponandraikim-panjakana nitarika ny lanonana ihany no nametraka fehezam_bonikazo fa na ny ben’ny Tanร nan’ny Morondava na ry zareo avy eo anivon’ny Polisim_pirenena, ny loholona izay tonga teo dia toin’ny mpanotrona fotsiny ka hoy ny ray aman_dreny sendra anay hoe fa natao ho an’iza ity 29 Martsa ity, taloha entanina ny rehetra hametraka voninkazo eo aminโ€™ny Tsangam_baton’ny mahery fo rehefa avy manao ny azy ny Tomponandraikim-panjakana, fa zao toa sarisary sisa.
๐Ÿ‘‰Nohamafisin’ny Prรฉfet ny Morondava moa fa andro tsy fiasana fa andraisan_karama ny androany ary tsy mahazo misokatra ny trano fivarotana zava_pisotro mahamamo raha tsy amin’ny 6 ora hariva, na izany aza dia misy ihany ireo mpivarotra mivarotra fa mihidy anatiny ao ireo mpisotro.
Nangonin’i Ra-Pa Menabe

KAOMININA ANDILAMENA

ยซย FITIAVAN-TANINDRAZANA NO FOTOTRY NY FAMPANDROSOANAย ยป
Fametrahana fehezam-bonikazo fahatsiarovana ny faha 77 taona ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947 nataon’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny ao amin’ny Distrikan’Andilamena.
Nangonin’i Lova
SABOTSY NAMEHANA | AVARADRANO
ยซย FITIAVAN-TANINDRAZANA NO FOTOTRY NY FAMPANDROSOANAย ยป
Akon’ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana nataon’ireo Mahery fon’ny Firenena teto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, dia nisy ny fanateram-boninkazo teo amin’ny Vatolahin’ny Firaisankina anio maraina.
 
Nitarika izany ny Ben’ny Tanana Avotraina Andriamosa, notronin’ireo Lehiben’ny Mpitandro filaminana ety an-toerana, nahitana ny Polisim-pirenena ary ny Zandarimariam-pirenena.
Vahoaka maro ihany koa no tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity androm-pahatsiarovana ity.
Nangonin’ Lay Mahintsy

FARITRA ALAOTRA MANGORO

ยซย FITIAVAN-TANINDRAZANA NO FOTOTRY NY FAMPANDROSOANAย ยป
 
Nitarika hetsika fahatsiarovana ny faha 77 taonan’ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947 androany 29 Martsa 2024 teto amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro ny Sekretera Jenerelin’ny Prefektioara.
 
Nanotrona sy nanome voninahitra ny hetsika fahatsiarovana ihany koa ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy nahitana ny avy amin’ny fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Solombavam-bahoaka, ny ben’ny tanana ireo olo-manakaja sivily sy miaramila.
Nisy moa ny fametrahana fehezam-bonikazo teo amin’ny tasangabato fahatsiarovana manoloana ny Gara Madiotsifafana sy fanomezana fanampiana ho an’ireo bekotro maro olatra
Nangonin’i Lova Janร 

Fankalazana ny 29 Martsa 2024 Mandritsara.

๐Ÿ”บFotoam-pivavahana iraisam-pinoana (๐…๐…๐Š๐Œ) no nanombohana ny fankalazana ny andro fahatsiarovana ireo mahery fo tamin`ny tolona 29 martsa 1947 teto Mandritsara. ยซย Afaka maneho fitiavan-tanindrazana ny sokajin`olonna rehetra ary aseho amin`ny fahamarinana, isany aretina eto amintsika ny tsy fisian`ny fahamarinana izayย ยป io no isany hafatra mafonja tamin`ny toriteny nentin`ny Mpitandrina FJKM, ๐‘๐š๐ณ๐š๐ง๐š๐๐ซ๐š๐ฌ๐จ๐š ๐‚๐ก๐š๐ซ๐ฅ๐ž๐ฌ teny amin`ny eglizy Katolika Sainte Famille Anjohivola Mandritsara. Lanonana fametrahana voninkazo teny amin`ny tsangambaton`ny Mahery fo ampasambazaha sy tamin`ny tsangambaton`i Todiarivo no natao taorian`ny fotoam-pivavahana ny maraina teo. Nisy ihany koa ny fitantarana ireo nanjo ny mahery fo nandritra 29 martsa 1947 izay ka ny Ray amandreny hany sisa tavela mahalala sy niaina ny tantara no nampahafantra izany tamin`ny olona maro nanatrika. Nisy ny kabary nataon`ny manampahefana mifandraika amin`ny lohahevitra ยซย ๐…๐ข๐ญ๐ข๐š๐ฏ๐š๐ง-๐ญ๐š๐ง๐ข๐ง๐๐ซ๐š๐ณ๐š๐ง๐š ๐ง๐จ ๐Ÿ๐จ๐ญ๐จ๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐๐ซ๐จ๐ฌ๐จ๐š๐ง๐šย ยป
 
โœฆNizotra tampilaminana ny fankalazana andro lehibe ity teto Mandritsara, ny lehiben`ny distrika, ๐•๐ž๐ฅ๐จ๐ฆ๐š๐ซ๐จ ๐‹`๐…๐š๐ฎ๐ฌ๐ญ๐ข๐ง, no nitarika ny lanonana, natrehan`ny filohan`ny fitsarana ambaratonga voalohany, lehiben`ny sampan-draharahara isan-tsokajiny, fikambanana samihafa sy ny maro hafa.
 
Nangonin’i Uni-Razafy
ANTSIRABE – VAKINANKARATRA 
 
Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny datin’ny 29 Martsa ny teto Vakinankaratra.
Lanona ara miaramila, fametrahana fehezam-boninkazo izay notarihinโ€™ ny Prefet anโ€™ Antsirabe, Governoranโ€™ ny Faritra Vakinankaratra ary Benโ€™ ny Tanร nanโ€™ Antsirabe renivohitra izay natao teo amin’ny tsangambaton’ny maherifo manoloana ny gara no nanamarihina izany
notron’ny avy ao aminโ€™ ny Tafika sy ny Foloalindahy ary ny Mpitandro ny filaminanana,sivily sy miaramila
 
Nangonin’i Haintso Antsirabe
Fametrahana fehezamboninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny mahery fo ao Bejofo
 
Rehefa vita ny hetsika fahatsioravana tao amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro dia nandeha nametraka fehezam-bonikazo tany amin’ny tsangambaton’ny mahery fo ao Bejofo indray ireo Tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy.
 
Ankoatran’izay dia saika nahitana hetsika fanamariana ny fahatsiarovana ny faha 77 taona ny tolo-panafahana avokoa tany amin’ny Kaominana, Amboavory, Ambodimanga, Vohitsara ary Ambohijanahary samy ao Distrikan Amparafaravola androany 29 Martsa 2024.
 
Nitarika ireo hetsika rehetra tany amin’ireo kaominina ireo ny solombavam-bahoaka Solofohery Rabekijana sy ny lefitry ny sefo Distrika ary ireo ben’ny tanana, ary nontronon’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy sy olo-manaka sivily sy miaramila ary ny vahoaka.
 
Nangonin’i Lova Janร 

Related Post

ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

Posted by - dรฉcembre 19, 2023 0
  Hetsika iray manan-danja no nokarakarainโ€™ny mpianatra, session dโ€™รฉtรฉ, ao aminโ€™ny oniversitรฉ tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 aminโ€™ny taranja…