ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ENY ANIVON’NY FONJA: NATOMBOKA NY FAMBOLENA HAZO FIHINAM-BOHO ENY ANIVON’NY CAMP PÉNAL. NISANTARANA IZANY NY AO ANTSIRABE.

76 0
 
📌Sabotsy faha – 23 Marsa 2024.
 
Camp Pénal Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II,
tany mirefy 1ha no nambolena hazo fihinam-boho miisa 300 fototra.
Paoma 50, poara 50, paiso voloina 60, paiso malama 80, zavoka 50, kaky 10.
 
➡️Telo taona dia azo hitazana ny vokatra. Ireo dia hanampiana ny sakafo eny anivon’ny fonja ka ady amin’ny vokadratsin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mety hiteraka fahafatesana ho an’ny Voafonja no tanjona amin’izany.
Nanamafy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina fa Zon’ny Voafonja, amin’ny maha-olombelona azy ny fihinanana sakafo ampy sy ara-pahasalamana, ary ankoatr’izay dia fanomanana ny Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina no antom-pisian’ny Toby famokaran’ny Voafonja.
 
⭕Ho tanterahana manerana ny Toby famokaran’ny Voafonja manerana an’i Madagasikara arak’izany ny Fambolena hazo fihinam-boho.
Raha ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, izy no tobim-pamokarana fitaratra ho an’ny Talem-paritry ny fitantanana ny Fonja anatin’ny Faritra Vakinankaratra, izay hahitana velaran-tany mirefy 16ha, ary efa misy voly vary sy katsaka, ankoatr’ireto hazo fihinam-boho, avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto.
 
⭕Miara-miasa ara -tekinika amin’ny Fambolena sy fikojakojana ny hazo fihinam-boho ny La Pépinière d’ Antsirabe. Marihana fa manana omby miisa efatra ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, vavy 1 ary lahy 3.
 
Nangonin’ Lay Mahintsy
Source : MinJust

Related Post

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐌𝐩𝐢𝐤𝐚𝐭𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐓𝐆𝐕 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚 | 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…