Fiangonana Anglikanina Sata Jakoba Mangarivotra | Fahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 Martsa 1947

228 0
Tao amin’ny Fiangonana Anglikanina Sata Jakoba Mangarivotra Ambatondrazaka no nanatanterahana ny Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana niarahana niombom-bavaka ho fahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 Martsa 1947 sy ho fangataham-pitahiana ho an’ny Firenena androany 24 Martsa 2024.
Nanatrika io fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana io moa ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy izay notarihan’ny lehiben’ny fileovana Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA Dieudonné
 
«  »Ny fitiavan-tanindrazana no fototry ny Fandrosoan’ny Firenena » nifandraika tamin’io teny faneva amin’izao fankalazana ny faha 77 taona ny tolom-panafahana izao ny toriteny noentin’ny mpitandrina izay nitondra ny hafatra notsoahina avy tamin’ny filazantsaran’i Matio toko faha 06 andininy faha 25 ka hatramin’ny faha 34 izay nanamafisana fa ny Fitiavan-Tanindrazana dia tokony miainga amin’ny Finoana sy fahatokiana an’Andriamanitra
satria tsy misy fiadanana ho an’ny Firenena raha tsy Krsity no manjaka ao aminy.
 
Nitondra teny fisaorana ny FFKM sy ireo nanomana sy niara nikarakara izao fanompoam-pivavahana izao ary ireo rehetra tonga niara-niombom-bavaka moa ny lehiben’ny fileovana Ambatondrazaka izay nisolo tena ny Fitondram-panjakana tamin’ny fandraisam-pitenena nataony.
 
Nangonin’i Lova Janà

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘

Posted by - février 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘 (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐣𝐚𝐤𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…