Fiangonana Anglikanina Sata Jakoba Mangarivotra | Fahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 Martsa 1947

573 0
Tao amin’ny Fiangonana Anglikanina Sata Jakoba Mangarivotra Ambatondrazaka no nanatanterahana ny Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana niarahana niombom-bavaka ho fahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 Martsa 1947 sy ho fangataham-pitahiana ho an’ny Firenena androany 24 Martsa 2024.
Nanatrika io fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana io moa ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy izay notarihan’ny lehiben’ny fileovana Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA Dieudonné
 
«  »Ny fitiavan-tanindrazana no fototry ny Fandrosoan’ny Firenena » nifandraika tamin’io teny faneva amin’izao fankalazana ny faha 77 taona ny tolom-panafahana izao ny toriteny noentin’ny mpitandrina izay nitondra ny hafatra notsoahina avy tamin’ny filazantsaran’i Matio toko faha 06 andininy faha 25 ka hatramin’ny faha 34 izay nanamafisana fa ny Fitiavan-Tanindrazana dia tokony miainga amin’ny Finoana sy fahatokiana an’Andriamanitra
satria tsy misy fiadanana ho an’ny Firenena raha tsy Krsity no manjaka ao aminy.
 
Nitondra teny fisaorana ny FFKM sy ireo nanomana sy niara nikarakara izao fanompoam-pivavahana izao ary ireo rehetra tonga niara-niombom-bavaka moa ny lehiben’ny fileovana Ambatondrazaka izay nisolo tena ny Fitondram-panjakana tamin’ny fandraisam-pitenena nataony.
 
Nangonin’i Lova Janà

Related Post

Kaominina ambanivohitra Bemokotrà | Fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy

Posted by - mai 18, 2025 0
𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐝𝐚𝐯𝐚/𝐁𝐞𝐦𝐨𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚̀: 𝐍𝐢𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲. Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka…