ASSSOCIATION DERA MADAGASCAR (Mananjary): MANAMPY NY FITAIZANA ZAZA KAMBANA TSY EO AMIN’NY RAIAMANDRENINY

78 0
🛑 Misy ireo zaza mila fanampiana ka ilaina ny fitan-tsoroky ny Malagasy tsy an-kanavaka.
 
🚫 Anisan’izany ny Association DERA Madagasikara izay mikarakara tsena ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ireo mpanjifa ao amin’ny tokontanin’ny CEG Ivato nanomboka omaly sabotsy 23 martsa ka hatramin’ny androany alahady 23 martsa.
 
🔻 Maro ireo trano eva izay ampiratiana sy ivarotana ireo vokatra vitan’ireo tantsaha ireo. Ny mampiavaka ity hetsika ity dia vokatra tsy mandalo mpijirika ireo vokatra amidy ireo. Noho izany dia azo antoka ny kalitao sy ny vidiny izay mirary .
 
🚫 Toa izany ny vokatra tantely hita ao izay ireo tantsaha ihany no mpiompy, mioty ary mikarakara sy manodina mba ho azo amidy. Mora lavitra ny vokatra amidy raha miohatra eo amin’ny hita eny an-tsena.
 
❌ Eo ihany koa ny vokatry ny asa-tànana vita amin’ny akora aluminium toa ny vilany, ny lasitra fanaovana mofo mamy. Mbola betsaka ny karazany vaovao izay sambany ny hampiratiana sy hamarotana azy ireo eto @tsika.
 
⭕ Andiany voalohany ity hetsiaka ity fa ny manetsa be mbola ho avy. Manainga antsika rehetra hanjifa ny vokatra mivantana avy amin’ny tantsaha fa ho afa-po ianao.
 
🛑 Misy koa ny antso avo hatao amin’ireo mpamokatra ny akora fanaovana trano mba hanampy azy ireo amin’ny fananganana ilay « Maison de Réfuge & Polyvalente » ao amin’ny Ankany Fanantenana Andovosira Mananjary.
 
🎀 Tongava maro ary eny amin’ny CEG Ivato @ ito anio Alahady 24 martsa ity ho fanampiana ny fikambanana misy azy ireo🎀
 
Nangonin’i Malala Tsaroana

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…

𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎 𝐉𝐄𝐀𝐍 𝐑𝐄𝐍𝐄 𝐇𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐉𝐀𝐁𝐄

Posted by - mars 5, 2024 0
Nifamotoana tao an-tranompokonolona Mandritsara ireo Sojabe maherin`ny 500 avy amin`ny kominina 29 mandrafitra distrikan`i Mandritsara. Nifampiarahaba tratry ny taona 2024,…