SEKOLIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA AMBOSITRA(EGNA) : LANONANA FANEHOANA AMBANY FANEVA ny andiany faha 78è.

182 0
  • famindram-pibaikoana ny Komandin’ireo Sekoly sy fanofanana eo anivon’ny Zandarimaria (CEGN),ny Jeneraly RAMASITERA Haingo izay nandimby an’ny Jeneraly BOTOU Estelin;
  • teo ihany koa ny fanehoana ambany faneva (Sous le drapeau) sy fanomezana anarana ny Andiany faha 78  » JORO « ;
    Mpianatra ho zandary miisa 1200 , ao anatin’ny andiany faha 78, miatrika fiofanana , ka nahavita ny telovolana voalohany, no naseho ambany faneva.
  • ary ny famindrana ny fiambenana ny Fanevan’ny EGNA amin’ireo Andiany faha 78.

Teo ambany fiahian’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina sy teo ambany fitarihan’ny Komandin’ny Sekolin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RANAIVONAMPOIZINA Harilaza, ary notron’ireo Tomponandraikitra ambony samihafa . Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara.
Nampahatsiahy izy ny amin’ ireo lamina arahana mba ahafahan’ny Sekoly mamoaka « Zandary matihanina » .

( 📸 Sary: Tsaratiana Aimé)

Related Post

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀, 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐀𝐑𝐘 𝐒𝐎𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐑𝐎𝐀 Ny sabotsy…