PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

79 0

ππŽπ‘π“-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | ππ€ππ†π€π“π€π‡πˆπ’𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π‡πˆπ‘πŽπ“π’π€πŠπ€ π‡πŽ πƒπ„ππˆπŽπ“π„ 𝐃𝐫 π€πƒπŽπ‹ππ‡π„ π…πˆπ€π‘π„πŒπ€ π“π„πŽ π€πŒππ€ππ€πŽπ•π€ππ€ π“π€π“πˆπ“π‘π€ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 πŒπ€π‡π€ 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 π€π™π˜.

Manana zo hahafantatra ny vokatry ny fandoavan-ketra ny vahoaka, ny mandat rahateo efa tapitra ka rariny raha hanao tatitry ny fitantanana ny mpitondra, hoy Dr Fiarema Adolphe Ben’ny tanΓ nan’i Port-BergΓ© renivohitra. Isaky ny faran-taona dia manao tatitra amin’ny vahoaka ny tenany nandritra ny 04 taona. Niainga avy tamin’ny tsy nisy ny Commune Urbaine Port-BergΓ© tany amin’ny taona 2015 Nahavoafidy azy voalohany, sahirana tamin’ny fitaovana, karaman’ny mpiasa, fanaovana tatikasa isan-karazany.

Niova tanteraka izany ankehitriny satria sady manana fitaovana tsara sy raitra ny Kaominina no mahaloa karaman’ny mpiasa tsy mitapaka, nahavita tetikasa maro toy ny fanatsarana zavatra efa teo, fananganana zava-baovao ary manana ambim-bava. Avy tamin’ny vahoaka izany satria tafapaka any amin’izy ireo ny fanentanana ny tokony handoavan-ketra. Izany no mahatonga ny Kaominina mampahafantatra ny fizotry ny fiainanany ho an’ny vahoaka tompon’ny vola no sady misaotra azy ireo.

Ireo no nivoitra nandritra ny tatitra ho an’ny daholobe teo amin’ny vavahadin’ny Kaominina nataon’ny Ben’ny tanΓ na, Dr Adolphe Fiarema ny asabotsy 16 Marsa folakandro. Nampianatra ny vavoaka hahasahy Hitsikera, hanakiana ny Ben’ny tanΓ na raha mahita ny tsy mety. Β«Aza isaorana amin’ny asa tokony hataonay izahay (mpitondra) fa teneno (kiano) amin’ny asa tsy vitanayΒ», hoy rahateo ny teny filamatr’ity olom-boafidy ity.

Rehefa nomena malalaka haneho hevitra ireo vahoaka Taorian’izay dia ankoatry ny fanomezana soso-kevitra hanatsarana ny tanΓ na dia nangataka azy ho kandidΓ  Solombavambahoaka ny maro an’isa tamin’ny mpandray fitenena. Noho ny fahasahiana miteny dia mendritra ho mpisolo vava, hoy izy ireo. Nilaza handinika aloha ny Ben’ny tanΓ na amin’izany fangatahan’ny maro izany. Hanome valinteny atsy ho atsy ho na ENY na TSIA, hoy ny fehin-teniny.

Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post