FIHAONAMBEN’NY LEHIBEN’NY SAMPAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY IFANAOVAN’NY SAMY OLON-TSOTRA

176 0
FIHAONAMBEN’NY LEHIBEN’NY SAMPAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY IFANAOVAN’NY SAMY OLON-TSOTRA : NISY FEHIN-KEVITRA NORAISINA. ASA MIANDRY NY TSIRAIRAY NY FAMPIHARANA IZANY RAHA NY NAMBARAN’NY MINISITRY NY FITSARANA, IZAY NAMARANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIHAONANA.
 
📌Zoma, faha-15 Marsa 2024.
Toliara, tapitra ny telo andro nanatanterahana ny Fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra  » Journée des Chefs de Juridictions Judiciaires ». Ny avy amin’ny Fitsarana Ambony anatin’ny Faritanin’i Toliara sy Fianarantsoa no niatrika izany. Maro ny teboka novelabelarina, nanaovana adihevitra ary nifanakalozana traikefa. Nandray anjara tamin’io fihaonambe io ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ka nilaza fa nisy ny fiaraha-mientana sy fahavononana hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana dia ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny fanandratana ny maha olona ary ny ady amin’ny kolikoly.
 
⭕Hamafisina ny fampiharana ny « Politique pénal », hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny Zandary sy ny Polisy miandraikitra famotorana. Asa miandry ny tsirairay ny fampiharana ny fehin-kevitra noraisina mba hahatratrarana ny tanjona kendrena. Marihana fa ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD no nentina nanatontosa ity Fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra, izay natao teto Toliara ity.
 

Related Post

Ny Kolonely Ratsimandrava Richard

Posted by - février 11, 2024 0
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…

🔺 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐅𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐎𝐍𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐎𝐍𝐆 𝐂𝐎𝐃𝐄 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄🔺

Posted by - avril 10, 2024 0
👉𝑵𝒊𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒓𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑵𝒂𝒍𝒊𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑹𝒂𝒗𝒐𝒔𝒐𝒏 𝒕𝒂𝒍𝒆𝒏’𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑪𝒐𝒅𝒆 𝑴𝒆𝒏𝒂𝒃𝒆 𝒇𝒂 𝒏𝒊𝒉𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒍𝒂𝒕𝒔𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒇𝒊𝒅𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂…